TAKELAKA

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 Desambra 2014

 

ONJA IRAY FIRITSOKA - CMEDLAC  27 Desambra 2014

Niritsoka tao am-pon’ireo mpanatrika tokoa ny seho tetsy amin’ny efitrano malalaky ny CMEDLAC Analakely ny sabotsy 27 desambra 2014 teo. Araka ny hitan'ny maro miely teto amin'ny aterineto sy ny petadrindrina dia efatra miandahy no nifandrimbona nikarakara ny hetsika dia i Martelle Nath, Zo Sitrakiniavo, Zazangaly ary i Tsy Avahana.

Martelle Nath Zo Sitrakiniavo Zazangaly Tsy Avahana

 

Niraradraraka tamin’ny fanokafana ny kabary sy hain-teny mampiavaka antsika malagasy izay niangalian’i Stenny Rajeriarison, Iharantsoa Mahefa ary i Aina Miolampandry izay samy tanora vao erotrerony nefa dia nahavariana ny mpijery ny nihaino azy ireo.

Mainka nampian’ny famakiana ny sasin-teny nosoratan’i Manirisoa Rasolomahenina tao amin’ny boky ka hita hoe velona ny literatiora malagasy.

Stenny Rajeriarison Aina Miolampandry Manirisoa Rasolomahenina

 

 

Nanaingo ny fotoana ny feon-gitara malefak’i Dafr sy i Rocky Avotra ary ireo mpihira tamin’ny gadona rap toa an’i Tournighty sy i Trema ka tsapa fa voky ny fanahy.

Rocky Avotra Tournighty

 

Nanotrona azy ireo tamin’ny fiantsana koa i Tsiahy Andrianina, i Mero Kosiky, ary i Andriniela.

 

Tsiahy Andrianina Andriniela

 

Dia nofaranana tamin’ny tafatafan’ny poeta sy ireo mpanotrona ny fotoana ka nifanao mandra-pihaona am-pitsikiana.

Ny mpijery

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021