Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 Mey 2016

FITAFY ANATINY - CGM 28 MEY 2016

Tontosa tetsy amin'ny CGM Analakely ny Sabotsy teo ny "Fitafy anatiny", hetsika isam-bolana fanaon'ny Faribolana Sandratra. Andriamatoa Rado Ramaherison no nanokatra ity seho nivondronan'izy telo vavy mpiray faribolana ity. Ampatsiahivina: Malalatiana Hasina sy Felana ary Tolotra Arinandriana.

Araka ny lohateny dia niavaka ny seho satria na namirifiry aza ny andro, nianjaika tamin'ny fitafy anatiny ireo vehivavy nisehatra.

Nentina nandravahana ny antsa izay nanehoan'izy telo mirahavavy ny maha-akaiky azy ireo amin'ny mpankafy azy sy ny fanehoana ny miafina avy amin'izy ireo ny fihirana ny tononkalon'i Felana. Nanampy tamin'ny seho ihany koa ireo mpikambana vitsy tao amin'ny faribolana Sandratra.

Tatitra: Doda Razafindravelo
Sary: Mina Ilarion

 

Resadresaka anjorony nangonin'i Léa Fandresena

Léa Fandresena
Miarahaba anao Felana. Mangataka teny indraim-bava momba an'iny hetsika Fitafy anatiny iny izahay.

Felana
Mankasitraka sy mankatelina ireo rehetra niara-nanandratra taminay ny Fitafy Anatiny. Isan'izany ary ny lehibe indrindra dia ianareo tonga nanotrona anay. Tsy nahasakana anareo ny Erika nifafy sy hatsiaka fa tonga maro be ianareo nasesiky ny fitiavana ny haisoratra sy ny kanto malagasy. Isaorana etoana ianareo eto amin'ny Pôetawebs niara-nisalahy taminay hatrany. Ho ela velona ny fifanohanana ho amin'ny fanasinana ny an'ny tena.


Léa Fandresena
Faly miarahaba anao izahay eto amin'ny Pôetawebs.
Anisan'ireo nijery ny Fitafy anatiny ianao, inona no zavatra nahafinaritra anao tao?

Nomena Nomenjanahary
Tsara ilay seho, tena tsara. Tery ny toerana, betsaka ny nijoro teny aoriana. Nahafinaritra ny mahita ilay Fitafy anatiny saingy fohy ny fotoana. Tokony hivelatra amin'ny mpijery ny sehatra. Ohatra hoe asiana mpijery mandray anjara raha mazoto, tsy mihoatra ny 3 ohatra.

 

c
   

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 31/05/2016

×