Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 Jona 2016

Tahala Rarihasina : iray volan'ny teny malagasy - Tantaran'ny teny malagasy (Jona 2016)

Fafana maro be no nampirantiana tao ary maneho:
 
- ny loharano nipoiran'ny teny malagasy.
- ny satan'ny teny malagasy nandritra ny vanim-potoana faha mpanjaka, ny mpanjaka Radama I, nandalo ny faha zanatany, ny faha Repôblika ka hatramin'izao ankehitriny izao.
 
Tsy nohadinoina tamin'izany koa ny nitantara
 
- ny "fanagasiana ny fampianarana"
- ireo andrarezin'ny teny malagasy vahiny sy malagasy  nandritra ny vanim-potoana nifandimby teto amin'ny firenena
- ny teny malagasy sy ny fanaovan-gazety.
- ary ny sarin'ireo rakibolana malagasy efa nivoaka.

Tatitra sy sary: Ikaloyna

 

   

 

 
 
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/06/2016