Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 Jona 2016

TANY GIAZANA 2 tamin'ny 28 mey 2016


Sehatra tsangan-tononkalo tao amin'ny Café d'Ampasimbe, ny 28 mey 2016 lasa teo, no nentin'ireo pôeta 6 mianadahy nampita tamin'ny fihetsika voarindra, ny hafatra mafonja mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Tsy iza izany fa i Jery, Narilala Ravakinoro, Mamiratra, Rary Mampionona, Vina ary Ikaloyna Vony.

Indreto ary sary vitsivitsy ahafahana maminavina ny zava-nitranga tamin'izany fotoana izany.

Tatitra sy sary: Ikaloyna Vony.

 

Miankavia: Tala Vina, Mamiratra, Ikaloyna Vony, Narilala Ravakinoro, Rary Mampionona

Miankavia: Mamiratra, Narilala Ravakinoro, Tala Vina, Jery, Rary Mampionona
   
  Tala Vina
   
Narilala Ravakinoro Mamiratra
   
 
Jery  

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com