Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 Jona 2016

SOKOELA - CEMDELAC

Tontosa soamatsara tamin'ny 1 jona 2016 teo ny "Antsa tononkalo" nampitondraina ny lohateny hoe "Sokoela" izay notontosaina tao amin'ny efitrano malalaky ny IVOKOLO CEMDELAC Analakely.

I Aina Miolampandry no nanao ny teny fanolorana ary i Narilala Ludovic no namaky izany teny an-tsehatra.

Niraza telo ny hetsika.
1-Tanindrazana
2-Fitiavana
3-Tononkalo malalaka

Ny amboaratononkalo dia  nosoratan'ny poeta efatra mirahalahy tompon'ny hetsika. Tsy iza izany fa i Fanojo, Safidy Raz, Maphona Lofika ary Mamiratra.
Nanampy tamin'ny fiantsana ny tanoran'ny Mpizaka Stelarim.
Nahafinaritra tokoa ny hetsika izay nanome fahafaham-po ireo mpijery tonga maro.
Hita taratra fa manomboka mihamiverina eto amitsika ny hasin'ny "Literatiora" malagasy ary efa maro be ireo tanora tena tafiditra lalina sy mihamahazo faka ao anatin'izany.
Irarianay eto amin'ny Poetawebs anie ny hisandratan'ireo mpandalina ny literatiora malagasy. Hitombo hatrany koa anie ireo mirotsaka antsitra-po entanin'ny aingampanahy amin'izany.

Tatitra sy sary: Anyah Andria

 

 

Mamiratra Maphona Lofika
   
Fidy Raz Fanojo

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 03/06/2016