Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

05 Jona 2016

 

 

MASOARIVO - CEMDLAC 27/05/2016

Maizina ny tany aman-danitra, mikitroka izay jerena rehefa tafiditra tao amin'ny Cemdlac Analakely ny 27 mey 2016 teo, tamin'ny 2 ora sy sasany katroka. Fampisehoana tokana sady hafa kely no nasehon'i Sento sy Tojo Ny Fanantenana mitondra ny lohateny hoe MASOARIVO.

Tao aorian'ny feo natao fampidirana sy ny tononkalo "Masoarivo" dia natomboka ny antsa izay nanehoana ireo sivana hita amin'ny fiaraha-monina. Notantaraina tamin'izany ny fiainan'ny olona amin'ny ankapobeany. Endrika mainty ranoiray no nanehoan'ny mpiantsa izany.

Ny fizarana faharoa kosa no nanehoan'ny mpiantsa ny resaka fitiavana ka natao an-tsehatra ny endrik'olon-droa mifankatia sy ny olana mety ho hita eo amin'ny fitiavana. Tsy inona izany fa ny fampirafesana sy ny fahadisoam-panantenana. Tao anatin'ny hazavana indray no nanehoana ny seho. Nampirehetina ny jiro. Teo vao hita fa hiboka olona ny efitrano. Fanampin'izany ny fahatalanjonana nihanoka fifaninanana tehaka nataon'ny mpijery ka nahenoana karazana tehaka nentanin'ny antokon'olona nanomboka azy.

Teo amin'ny fizarana fahatelo no nahitana tanora maromaro misaodisaody eny an-tsehatra. Nifandimbiasana ny antsa tononkalo.

Fahafatesan'ny fitiavana no votoatiny ka nanehoana fanahy mihelohelo hatrany ao ambadik'izany. Avelon'ny fitiavana no niantsoana azy tao.

Mpandray anjara fototra: Sento sy tojo fanantenana
Mpandray anjara mpanampy: Harilala Lapin, Ny Vazonay, Ravo, Jafan, Tikalo Tsisatry, Rajo Niaina, Fotopisaina RaOly
Mpanentana: Fotopisaina RaOly (sady niantsa)

 

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Kalo Mira





   
   
   
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/06/2016