Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 Jona 2016

Hetsika Ny Eja nandritra ny telo andro

Telo andro niarahana nankafy ny kanton'Ny Eja, izay natomboka ny 30 Mey ka hatramin'ny 1 Jona teo. Kanto maro loko no taratra tamin'iny hetsika iny: ny tononkalo, ny angano, ny hira, ...
Isan'ny mampiavaka an'Ny Eja ihany koa ny hakanton'ny feony miangola. Tafiditra tao anatin'ny hetsika ary tena nahazo toerana ny fampirantiana sy ny fivarotana ireo boky efa navoakan'ity mpanoratra ity.
Tsy nadinoiny koa ireo boky momba ny fandaharam-pianarana.

Ny ekipan'ny Pôetawebs dia mirary soa ho an'Ny Eja amin'ny fanandratana ny kanto malagasy.

Tatitra: Doda Razafindravelo
Sary: Ny Eja

   
   

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/06/2016