Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Jona 2016

CRAAM - Poésie en folie

Ny foiben-toerana mikarakara ny kolontsaina ankehitriny eto Madagasikara na ny CRAAM (Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar) dia nanao hetsika nampitondrainy ny lohahevitra hoe "Poesie en folie".

Nifanandrify indrindra amin'ny volana jona izay volan'ny ankizy ity hetsika ity. Araka izany dia fifaninana poezia momba ny zon'ny ankizy niarahany tamin'ny fikambanana Manankasintsara Mandroso no natao. Ity fikambanana ity moa dia misahana ny fanabeazana ireo ankizy tsy ampy taona any am-ponjan'Antanimora sy Anosiala ary Toamasina
amin'ny alalan'ny tantara tsangana, dihy, sary sns. izay entin'izy ireo nampitana hafatra.

Tanora 6 mianadahy no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ary nampian'ireo mpanatrika. Nandravaka ny efitrano ny sary nataon'ireo ankizy izay nanehoany fa tsy voageja ny sain'izy ireo na dia any am-ponja aza.

Nisy koa ny fizarana poezia ivelan'ny efitra, natao teo amin'ny fidiran'ny oniversiten'Ankatso tamin'ny fampirantiana asa soratra teo amin'ny hazo maniry iray izay mifono hevitra hoe hazo manana voan-teny.

Ny poezia tokoa dia fitaovana iray entina mamela hafatra ho an ny rehetra.

Tatitra sy sary: Ikaloyna Vony

 

Ireo mpitsara ny lalao fampirantiana asa soratra teo amin'ny hazo maniry iray
   
Mpanentana  
   
   
   
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 19/06/2016