Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

04 Jolay 2016

Famaranana ny Iray Volan'ny Teny Malagasy - Akademia

 

Namarana ny fankalazana ny Iray Volan'ny Teny Malagasy ny teny amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy ny zoma 1 jolay teo tamin'ny 3 ora tolakandro.

 
Nanokatra ny fotoana ny filohan'ny FMTS, andriamatoa Lalao Rabenandrasana
 
Maro be ireo mpanotrona sy mpandray anjara ary ireo vahiny nasaina nanome voninahitra ny lanonana. Tao koa ireo solotenan'ny ministera sy ny andrimpanjakana isan-tsokajiny.
 
Nahafinaritra tokoa ny nahita ireo mpandray anjara maro be izay nanao fitafy malagasy mampiavaka antsika.
 
Ireto avy ireo mpandray anjara.
 
- LLOM, Laboratoire le Langue et Oralité Malagasy, rafi-pampianarana eny Ankatso
- Tafasiry Kolo Kanto, mpanao Kalon'ny Fahiny ao amin'ny Sampana Malagasy eny amin'ny ENS (ecole Normale Supérieur) eny AMPEFILOHA, nilaza ny didy folon'ny teny malagasy.
- Avaradrano Folk, tantanan'i Dadasamy nampiseho ny dihy sy vakodrazana.
- ENS Ampefiloha, sekoly misy ny fanofanana mpampianatra malagasy mitrandraka ny literatiora malagasy, naneho ny tononkalon'i Rado tamin'ny alalan'ny hira.
- Ny Havatsa Upem kosa dia nanao tononkalo 4 ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy ny teny malagasy.
- Ny VMT na Vondron'ny Mpiangaly Tantara Anonjampeo moa dia nanolotra tantara iray.
- Ny FIMPIMA indray no nanao dontany sy kapotandroka tamin'ny "Fitia tselabaratra".
- Ny Faribolana Sandratra dia nanao tononkalo 4.
- Ny FMMS (Fikambanan'ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara) dia nanolotra tantara mitondra ny lohateny hoe "Tenindrazana, tanindrazana".
- Ny VMPA (Vondron'ny Mpikabary Ankehitriny) dia nilalao teatra nantsoiny hoe "Kotobalita sy Bozimaria".
 
Tsara marihina fa ny fikambanana mpanao tononkalo dia miisa 8 fa solontena ihany ireo nandray anjara ary ny VMPA dia misy fikambanana 18 mivondrona ao aminy.
 
Nofaranan'ny filohan'ny Akademia, Atoa Rajaona Andriamananjara, ny fotoana. Nisongadina tamin'ny lahateniny ny teny filamatra hoe:
"Iray volana fankalazana fa herintaona fanajana ny teny malagasy"
 
Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Hery Rakotovazaha
 
   
   
   
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/08/2016