Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

24 Jona 2016

Iray volan'ny teny malagasin'ny DTM - Cemdlac


Faran'ny vavaka hono "amen", faran'ny lalana vodin-trano, faran'ny fihaonana moa veloma... fa namarana ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy kosa ny fikambanana DianTanaMasoandro tao Cemdlac Analakely ny 22 jona 2016 nanomboka tamin'ny 3ora tolakandro.

Ny biby tsy manan-doha hono tsy mandeha ary ny fikambanana tsy mandroso raha tsy misy filohany. Koa nanokatra ny fotoana àry ny filohany, Brencht Mbolamasoandro.

Amin'ny maha-fetin'ny ankizy ny andro dia nanafana ny lanonana Rakemba tamin'ny alalan'ny angano nahaliana tokoa na hita fa tanora aza ireo mpihaino.

Ny fikambanana ihany koa dia manana olona maro manan-talenta, na amin'ny hira na amin'ny tononkalo. Fa izay tsy mahay sobika hono mahay fatam-bary ary izay tsy mahay mihira nanao tononkalo. Nampanentanentana tokoa izy ireo satria maro tamin'ny mpijery no nanaraka nihira.

Voninahitry ny velona hono no maro mpanotrona ary voninahitry ny fikambanana ny fahatongavan'ny vahiny maro nasaina koa tsara tokoa ny maro noho ny vitsy. Samy nandray anjara avokoa ny rehetra tamin'ny alalan'ny antsa tononkalo sy hira izay tsy nisy fanavakavahana na ireo efa malaza amin'ny fanoratana na ireo vao miana-mamindra, na fikambanana na olona tsirairay.

Feno hafaliana ny mpikarakara ary nahazo fahafinaretana ireo nasaina, hatramin'ny 5ora hariva niafaran'ny lanonana.

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Narilala Ravakinoro

 

 

 

   
   
 
   
 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/06/2016