poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

09 Septambra 2016

TSINGEVANA 2016

Notontosaina tao amin'ny Cemdlac Analakely ny alarobia 07 Septambra teo ny antsan-tononkalo antsoina hoe TSINGEVANA.

Ireto avy ny lohahevitra novoizina tao:

- Poeta sy ny literatiora
- Fivavahana sy tanindrazana
- Fitiavana sy ny tontolony
- Fisarahana sy fahafatesana

Raha ny momba ny fitiavana  manokana dia feno ny fatra nianohan'ny mpijery satria navoitra tao avokoa ny fahaterahany, ny olana sedrainy ary ny fiafarany.

Raha ny teo amin'ny endriky ny antsa indray dia niavaka ireo tononkalo maro nifamaliana ka nahafinaritra tokoa.

Raha ny marina dia nitsingevana araka ny lohatenin'ny hetsika ny rehetra teo anatrehan'ny seho hafa kely nanehoan'izy ireo ny loko mainty ranoiray.

Mpandray anjara
Arifetra, Rikibe, Tix Aina, Jayah Razafy, Diary
Tsifoina, Anyah, H. Nirina.

Mpanentana: Tolotra Ramihary
Mpihira: Rohy Islam

Nindramina manokana hiantsa ny tononkalon'i Anyah: Tojo Ny Fanantenana sy Sento

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Anyah

   
   
   
   
   
 
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 10/09/2016

×