Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Jolay 2016

Tahala Rarihasina, lanonam-pamoahana ny bokin'i Hanitr'Ony sy Dox


Nanokatra ny fotoana ny minisitra Jean-Jacques Rabenirina. Nambarany fa somary takona ny kolontsaina ankehitriny ary ny asa soratra dia fitaovana entina hampahalalana ny toe-panahy ananan'ny Malagasy.

Nandimby azy tamin'ny lahateny i Hajaina Andrianasolo filohan'ny HAVATSA UPEM, ary ireo solontenan'ny zanak'i Dox dia i Elie Ramasindraibe Salomon sy Dédé Sorajavona.

Namarana ny lahateny i Hanitr'Ony tamin'ny fanazavana ny boky roa navoaka:

1- "Deux fois une" an'i Hanitr'Ony, bokin-tononkalo miresaka ny vehivavy, ahitana ireo asa soratr'i Hanitr'Ony sy ireo mpanoratra malagasy sy vahiny amin'ny teny malagasy
2- "Chants capricorniens", nosoratan'i Dox, boky amin'ny teny frantsay ary kasaina hatonta amin'ny teny anglisy.

Nohazavainy koa fa ny antony nanaovana ireo boky ireo dia satria manana ny toerany i Madagasikara eo anatrehan'izao tontolo izao ka amin'ny alalan'ny asa soratra no ampahafantarana izany.

Rehefa vita ny fisaorana an'ireo tonga nanotrona sy ireo nahandro nahamasaka ny hetsika dia nirosoana ny fitsidihana sy ny fanazavana an'ireo fafana maneho ny lalam-piainan'i Dox sy i Hanitr'Ony. I Hanitr'Ony ihany no nitondra an'izany fanazavana izany.

Antsan'ireo tononkalo tao anaty boky no nanohizana ny fotoana. Ny hira ba gasin'i Dede Sorajavona no nanelanelanana izany.

I Mahefa, zanak' i Hanitr'Ony lahy sy I Hasina, zanany vavy, no namarana ny fotoana. Tsapa fa tena miteny malagasy tokoa izy ireo. Niantsa ny tononkalon'i Dox hoe "Paiso" sy ilay hoe "Baobab" izay tafiditra ao amin'ny fandaharam-pianaran'ny mpianatra any Frantsa izy ireo.

Tatitra sy sary: Ikaloyna

Endrika ivelan'ireo boky miaraka amin'ny lahatsoratra an-gazety momba azy ireo Ny ministra Jean Jacques Rabenirina nandray fitenenana, eo ankavia i Hanitr'Ony sy Hajaina
   
Mandray fitenenana i Hanitr'Ony, eo ankavanana i Hajaina Hanitr'Ony sy Tracy Gasy
   
Nandravaka ny antsa ny tarika Dédé Sorajavona, zanak'i Dox ary Ray aman-dRenin'i Hanitr'Ony Nandritra ny velakevitra, miankavanana: Elie Ramasindraibe Salomon, Dédé Sorajavona, Raivo Patricia
   
Niantsa tononkalo i Hanitr'Ony Hajaina teo ampiantsana
   
Fafana maneho ny fiainan'i Dox Fafana maneho ny fiainan'i Dox
   


 
Video natoraka teny amin'ny efijery, nanehoana ny tantaran'i Dox  

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com
×