Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 aogositra 2016

ANTSAHANOFY TAO ANALAKELY

Tontosa tamin'ny 30 jolay teo ny tsangan-tononkalo nokarakarain'i Hanitra Olive nampitondrainy ny lohateny hoe: Antsahanofy.
Nahafinaritra tokoa ny hetsika, nahazoana olona maro ary natrehin'ireo olona malaza maromaro.

Teo amin'ny teny fanolorana no nahitana an'i Tsiky Rakotomavo, mpamolavola laminasa ao amin'ny MKFAFV, mpikambana ao amin'ny filankevi-pirenena momba ny fanabeazana, mpandalina literatiora ary mpiangano..

Teo amin'ny sasinteny no nahitana ny Dr Ravalitera Nalisoa Jean mpikambana mahefa ao amin'ny AKADEMIA Malagasy ary zokibe anisan'ny mpanorina ny Faribolana Sandratra.

Ary teo amin'ny Tsipy teny no nahitana an'i Ranoe poeta, mpanoratra, mpikabary, ary anisan'ny mpanorina ihany koa ny Faribolana Sandratra.

Ireo rehetra ireo dia voamarina ao anatin'ny boky Antsahanofy avokoa.

Niavaka tokoa ny haingon-tsehatra tsy tahaka ny fahita andavanandro fa dia nahavariana sy nahafinaritra.

Ny antsa tononkalo dia noelanelanin'ny hiran'ny Tarika Hasina, mpihira malaza eto amintsika.

Teo amin'ny fanentanana kosa no nahitana an'i Riambola Mitia.

Araka izany dia navoaka boky Antsahanofy ka azo jifaina amin'ny vidiny natao ho an'ny rehetra: ariary 15000. Ny boky dia matevina tokoa ary tena afaka hanala ny andronao ny hamaky ireo vetsovetsom-pon'i Hanitra Olive ao. Ao anatin'ny takelaka 168 no azo itarafana fa tena nanao izay azony natao ity mpanoratra sy mpanakanto iray ity mba hahafa-po antsika mpankafy azy hatrany.

Raha bangoina amin'ny teny fohy, ny hetsika dia lafatra ary tsy misy kianina.

Ho ela velona anie ny kanto malagasy!
Tatitra: Anyah

Sary: Rado Rasolofoniaina

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/08/2016