Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Aogositra 2016

ANTSA AN-DALAM-BE

Ny firaisankina no hery, izay tokoa no hita tamin'ny antsa tononkalo an-dalam-be nokarakarain'i Avelo Nidor niaraka tamin'ny poeta maro be lahy sy vavy, ny 30 jolay lasa teo teto andrenivohitry Gasikara.

Nanomboka teo amin'ny "Esplanade" Analakely ny lalana. I Avelo Nidor no nitarika azy ireo, niavaka tokoa satria nanao akanjo fotsy sy mainty tahaka ireny diakona ireny. Fa vaovao mahafaly mantsy no nozaraina tamin'ny vahoaka malagasy tamin'ny alalan'ny antsa.

Niompana tamin'ny raharaham-pirenena ankehitriny ny lohahevitra. Nisongadina ny fanakianana ny fitondrana sy ny torohevitra hanatsarana ny firenena. Nampitaina mivantana koa ny fampaherezana ny vahoaka ao anatin'ny fahantrana ary ny tokony handraisan'ny tsirairay ny andraikitra sahaza azy avy.

Maro be ireo mpandray anjara tamin'ny antsa, izay samy namoaka ny talentany avokoa. Lalana maro no nampitana ny hafatra: Analakely, Ambohijatovo, Ambodifilao, Antaninarenina, Rarihasina.

Nifarana tao amin'ny CGM Analakely tamin'ny 12 sy sasany ny fotoana.

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Ma-art-Laza

   
   
   
   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/08/2016