Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

27 Aogositra 2016

AFOM-POEZIA

Afom-poezia no anaran'ilay hetsika niarahana tamina poety dimy lahy tamin'ny zoma 26 aogositra 2016 tetsy amin'ny CEMDLAC Analakely, izay nahitana an'i Zara Ainga, Jaonary, Faniry, Idealy Fahafahana ary i Lahatra.

Ity hetsika ity dia natolotry Ny Eja, teny an-toerana izy noho izany tonga namindro teo amorom-patan'ny POEZIA miredareda fitiavana.
Isan'ireo niantsa ny tononkalony ihany koa izy ary nampahafantatra ireto poety mpiray faribolana aminy.

Niredareda tokoa ny afom-poezia tamin'ny fiantsana ny fitia nitsiry tao anatin'ny kisendrasendra, ny fifankatiavana, ny fisarahana, ny lasa...

Ary mbola nampahazo rehitra tsara ny afo ihany koa ny hira nanelanelanana ny tononkalo izay nandrasain'ireto olona ireto anjara: Johan, Sitraka ary ny zanakavavin'Ny Eja.

Nisy ihany koa ny ranty sy ny boky ary ny valonana namidy. Anisan'izany ny boky mirakitra ny tononkalon'Ny Eja ary valonana misy ny tononkalon'izy dimy mirahalahy.

Tatitra: Heriarilala
Sary: Anyah Andriamampianintsoa

 

 
 
 
 
 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/08/2016