Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Aogositra 2016

FOHA FOTA-MANDRY

Fampisehoana nokarakarakain'ny Faribolana Sandratra ny antsa tononkalo antsoina hoe "Foha fota-mandry" natao tao amin'ny Tahala Rarihasina (efitrano ny Faribolana Sandratra) ny zoma 26 aogositra 2016 tamin'ny 4 ora hariva. I FANJA RAZAH sy i KAJA no nanatontosa izany.

Nanokatra ny lanonana i Riambola Mitia, filohan'ny Faribolana Sandratra Antananarivo ary notohizin'i Fanja Razah tamin'ny fisaoran'izy mirahalahy ny Faribolana Sandratra nampiantrano, ny Havatsa Upem, i Dafr, ny Vaika sy ny namana ary ny mpiara-miasa rehetra nanotrona sy nanampy tamin'ny fikarakarana. Tsy nohadinoiny ny nisaotra ny namana iray avy any dilambato nanolotra ny tsaingoka sy ny sotro ranomboankazo. Notantarainy ihany koa ny ny fiainan'izy mirahalahy fahiny sy ankehitriny.

Taoriana izay dia niantsa izy mirahalahy ary nampian'i DAFR tamin'ny feo lafika sy hira. Nanampy tamin'ny antsa i Hajaina, filohan'ny Havatsa Upem ary nanao ihany koa tononkalo mifamaly miresaka voninkazo tamin'i Fanja Razah.

Nofaranana tamin'ny fiarahana tsaingoka sy sotro ranomboankazo ary antsa tononkalo nandraisan'ny daholobe anjara ny lanonana taorian'ny tamin'ny 5 ora hariva.
Nisy ihany koa ny ranty sy ny boky ary ny valonana namidy. Anisan'izany ny boky mirakitra ny tononkalon'Ny Eja ary valonana misy ny tononkalon'izy dimy mirahalahy.

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Anyah Andriamampianintsoa

 

 
Fanja Razah sy Kaja Riambola Mitia sy Fanja Fazah
   
Radialf Dieudonné sy Fanja Razah Fanja Razah sy Dafr (Kaja takona eo afovoany)

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 28/08/2016