Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 Aogositra 2016

Antsa malalaka - EKAR Manjakaray (Fanasana)

Ny fiangonana EKAR Manjakaray dia manasa antsika hanatrika antsa tonokalo malalaka hahafahan'ny rehetra mandray anjara!

Ataovy ao anatin'ny diarinao ny datin'ny 03 septembre manomboka amin'ny 8 ora maraina mandrar-paharivan'ny andro.

Mitondra sakafo araka izany.

Tanjona amin'io hetsika io ny "fifankafatarana, firaisakina, fifampizarana".

Toerana: EKAR Manjakaray
Mpanentana: Tsiaro Kely Maditra (manao akanjo mainty eo amin'ny sary).

 

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com