Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 oktobra 2016

MIALY ANDRIANINA, NANANDRATRA NY MIKALO

Nivoaka tamin'ny 18 septambra lasa teo ny MIKALO, amboaran-tononkalo narandran' i Mialy Andrianina ary narahina hetsika poetika tetsy amin'ny Espace Dera.

Ankoatra ny maha-mpanoratra azy dia misongadina ao aminy ihany koa ny talenta amin'ny fitendrena gitara ka tonga nanotrona azy tamin'izany ireo mpanakanto toa an'i Henri Ratsimbazafy, Iary, Kelly Rajerison, Bekoto, Clochette, Avotra Lemada, Keke. Ny tarika Zily Kala moa dia sady nandray anjara tamin'ny kalokalo no niandraikitra ny fanamafisam-peo.

Teo amin'ny antsa kosa dia nanandratra ny feony teo amin'ny fanasinana ny fotoana ireo sakaizan' i Mialy avy ao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ka nandraisan'i Tahirintsoa, Riambola Mitia, Laingo ary Martelle Nath anjara.

Nahafinaritra ny lanitra nitondran' i Mialy ireo mpanotrona ny MIKALO satria ny ranon'ny kanto no nilomanosana. Nalaina hisaraka aza ny rehetra satria niafara tamin'ny korana sy rebika an-tehaka narahina fandihizana mihitsy tamin'ny fotoana farany.

Mirary raha mirary noho izany ny hanohizan' i Mialy ny dia efa natombony amin'ny fanandratana avo ny hasin'ny haisoratra Malagasy.

Tatitra sy sary: Martelle Nath

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/10/2016

×