Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 oktobra 2016

FIFANINANANA TONONKALO TSIARO OM-GUI


Tao anatin'ny hetsika "Tsiaro an'i Om-Gui" nokarakarain'ny fikambanana Veto no nanatanterahana fifaninanana famoronana tononkalo. "Tsisy olombelona eto an-tany ka tsy miaina tsisy fitiavana izany". Io no lohahevitra nifantohan'ny mpifaninana. Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny fitsarana ny fifaninanana ny avy ao amin'ny Akademiam-pirenena; niara niasa kosa ny fikambanana Veto, Sandratra ary ny Havatsa.

278 ireo mpandray anjara. Pôeta 12 no notolorana mari-pankasitrahana ka ny telo no nomena loka teny amin'ny Coliseum ny alahady faha 16 oktobra teo. Marihina fa mpihira fanta-daza maro no nanafana ny hetsika, anisany mazava ho azy ny tarika Ny Ainga.

Nampidirina tao anatin'ny boky mirakitra ny tononkalon'i Om-Gui sy ny Sandratra antsoina hoe "Om-Gui hiratry ny kintana" ny tononkalon'ireto 12 mpifaninana mendrika indrindra ireto. Ranoe no nanao ny teny fanolorana ary Andriamanga Fetraniaina filohan'ny Veto kosa no nandrafitra ny teny famaranana.

Raha ny tombantombana dia tonga hatrany amin'ny roa ampahatelony ny taham-pahafenoan'ny toeran'ny mpijery tao amin'ny Coliseum.

Tononkalo tokana nosoratan'i Om-Gui no nantsaina tamin'ity hetsika ity. I Nalisoa Ravalitera no nanatanteraka izany ary nanasongadina ny hoe tsy "mpanakanto fotsiny izy fa poeta". Ampatsiahivina fa i Om-Gui dia mpanakanto, poeta ary mpanabe.

Tsapa fa ny karazan-kira "fanjifa" amin'izao fotoana izao no anton'ny nahatongavan'ny mpijery maro tao hany ka na ny karazan-kira bà gasy aza dia nampandeferin'ny hafanan'ny mpijery. Niharihary toy ny kary am-pamoloana izany hatsiaka izany ka nahatonga an'i Gothlieb nanipy fananarana ho an'ny mpijery.

Ireo 12 mianadahy mianaka nomena mari-pankasitrahana

Rakotoarisoa Jeanne Laricia
Rajaonarison Andrianambinintsoa Dina
Mampandriniaina Manitranirina
Rafaramanana Hajarisoa
Fitahiana Sitraka
Randrianantenaina Tafita Alfred
Razafindrakoto Samoela
Rafidimanantsoa Anjarasaotra
Randrianarilala Vonjiniaina Germain
Randrianarison Maminiaina Jean Claude
Faniriherisoa Malalatiana
Ramoranambinina Hery Euphrasie


Tatitra : Ikaloyna Vony
Sary : Jean Degra Randria

 

 

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/10/2016