Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 desambra 2016

PERLE ISABELLE - TIA KANEFA

Nifamotoana tamin'i Perle Isabelle tao amin'ny efitrano Gisèle Rabesahala, Tranombokim-pirenena Anosy, ireo mpakafy tononkalo tamin'ny sabotsy 4 desambra 2016 teo.

Ity hetsika ity dia natao hamoahana ny bokiny TIA KANEFA tamin'ny alalan'ny rindran-tsehatra miendrika tsangan-tononkalo.

Araka ny lohatenin'ny boky sy ny hetsika dia fitiavana no lohahevitra novoizina.
 Tsy ilay fitiavana amin'ny endriny mahasondriana ihany anefa fa ilay fitiavana maneho fisafotofotoam-piainana mihitsy. Na izany aza dia samy niaiky ny rehetra fa tsara fiafarana ny tantara.

30 mahery ny isan’ny tononkalo nantsaina. Niantsa tononkalo iray avy ireo mpandray anjara fototra efatra: Perle Soa, Nou Mii Tsiky, Ny Andriniela ary Hery Mandaniaina.

Nandravaka ny elanelam-potoana kosa i Clémentine Raheliarisoa, zokin’i Perle Soa ihany no sady mpanoratra. Tao koa i Maneho Zohin’Vina, sy i Mbolaranto Ramanantsoa, mpikamban'ny Havatsa.

Teo amin'ny zavamaneno indray no nankafizana ny saxophone sy ny sodin'i Elie Ramasindraibe, zanak'i Dox. I Dafra izay efa mpiaka-tsehatra amin'ny hetsika tononkalo toy izao kosa no nitendry gitara. Nahay niaraka tokoa izy ireo tamin'ny mozika lafiky ny antsa sy ny mozika nanelanelanana ireo fizaram-potoana telo tao.

Niavaka ny haingon-tsehatra. Poezia ho an’ny sarambabem-bahoaka hoy ny mpanoratra no natolotra, noho izany dia haingo maneho ny kanto “an-dalambe” no nosafidiana. Nofenoina “graffitti” ny rindrina sy ireo singa nentina nandravahana ny lampihazo. Nezahina hifanentana tamin’izay koa ny fiseho sy ny fitafy.

Niahy sy nanome voninahitra ny lanonana ny Tale Jeneralin’ ny OFNAC (Office National des Arts et de la Culture) Rtoa Laure Rabarison. Nanohana ny antso fanasana koa ny filohan'ny FMTS Lalao Rabenandrasana, ny filohan'ny Havatsa/Upem Hajaina Andrianasolo, ny filohan'ny Sandratra Antananarivo Riambola Mitia. Nisy araka izany ny fandraisam-pitenenana teny am-piandohana sy teny am-pamaranana.

Tao anatin'ireo mpijery dia nahitana mpampianatra sy mpanabe ary pôeta maro efa zatra mifanohana.

Lalao Rabenandrasana no nanao ny teny fanolorana ny boky ary i Tahirintsoa no namaky ny Teny famaranana.

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Perle Isabelle

   
   
   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/12/2016