Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 novambra 2016

ANGOLAN-TONONKALO, HIRA SY DIHY, HAVATSA/UPEM ARIVONIMAMO

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanokafana ny taom-piasana 2016-2017 izay nataon’ny HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo ny zoma 25 novambra 2016 lasa teo.

Tononkalo niisa 21 no nantsaina tao anatin’izany, ary hira miisa 5 izay nandraisan’i Andry Rabe, avy aty amin’ny faritr’Itasy sy notanterahin’ny mpikambana. Nisy ny fanolorana marim-pankasitrahana ka ny boky nosoratan’i Mina Ilarion (Hosodoko) no notolorana azy ireo. Io fifaninanana io dia niarahana tamin’ny Havatsa Upem Arivonimamo sy ny Kaomina Arivonimamo Ambonivohitra.

Tonga nanatrika ny fotoana ny Lefitra faharoa ny Ben’ny Tanàna Arivonimamo Ambonivohitra izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana 2016-2017. Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Lehiben’ny Boriborintany Arivonimamo I, ary tsy kely indrindra amin’izany ny fanotronana nataon’ny Filoham-boninahitra sy nanorina ny Havatsa Upem Arivonimamo dia i Hobiana.

Somary niavaka ity hetsika ity satria dia nisy ny tononkalo fifamaliana ary narahina hetsika izany.
Isaorana isika rehetra nanohana sy nitondra am-bavaka izany hetsika rehetra izany. Mampanantena ny Havatsa Upem Arivonimamo izay efa miasa fa mbola hanolotra ny kanto ho antsika mandrakariva.



Tatitra sy sary: Dindon'ny Omaly

 
   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/12/2016

×