Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 novambra 2016

FITSIAHY AN'I DI...

FITSIAHY AN'I DI... Io no lohatenin'ny fampisehoana nokarakarain'ny Havatsa-UPEM ny sabotsy faha 26 novambra 2016 lasa teo, hetsika natao ho fahatsiarovana an'i RAHAINGOSON Henri fantatra amin'ny solonanarana hoe DI...

Ny datin'ny 26 novambra no nosafidiana satria io no tsingerin-taona nahaterahan'ity Andrarezin'ny asa soratra sy ny teny malagasy ity, 78 taona tamin'io izy mantsy raha mbola velona teo.

Ny Filohan’ny HAVATSA Andrianasolo Hajaina no namaky lay ny fotoana tamin'ny teny fanolorana. Feno tokoa ny fandaharam-potoana satria nifandimbindimby tao ny "resadresaka" momba an'i DI..., antsa ny tononkalony, filalaovana an-tsehatra ny tsangan-tononkalony ary hira nataon'ny ENS-Ampefiloha Oniversiten’Antananarivo sy Fanja Andriamanantena.

Resadresaka

Tamin'ny alalan'ny "resadresaka" telo no nampahafantarana ny maha izy azy ity Olomanga iray ity.

Resadresaka 1: “DI… sakaizan’ny boky, vakiteny, soratra”, niarahana tamin’Atoa Iharilanto Patrick Andriamangatiana (Filoha am-boninahitry ny Havàtsa).

Resadresaka 2: “DI… sakaizan’ireo sakaizany amin’ny lafiny fampandrosoana amin’ny endriny rehetra”, niarahana tamin’Atoa Rasolomanana Denis.

Resadresaka 3: “DI… sakaizan’ny fianakaviany sy ny tanindrazany”, niarahana tamin’Atoa Rahaingoson IHarizaka (Zanak’i DI…).

Andiana antsan-tononkalo roa no natolotra ianohan'ny mpanatrika. Samy nosoratan'i DI... avokoa izy ireo ka tao ireo tamin'ny teny malagasy, nisy ireo tamin'ny teny frantsay ary nahafinaritra ny rehetra koa ireo tononkalo mahatsikaiky izay mampiavaka azy.

Tsangan-tononkalo

Ahafantaran'ny maro an'i Di... ny tsangan-tononkalo HARIVARIVA AN-TANIN'OLONA.
17 no isan'ireo namelona azy an-tsehatra io tolakandro io.

Mbola niavaka ihany koa ny tsangan-tononkalo faharoa antsoina hoe IKALASOA.
I Hantanoro sy Jacynthe
kosa no namelona an'io tsangan-tononkalo nosoratan’I DI… io.

Taorian'izay dia mbola nisy fandraisam-pitenenana roa nentina nanohizana ny fotoana.
Ny voalohany dia nataon'ny Solotenan'ny Académie Réunionaise momba ny fiaraha-miasany tamin'i DI...

Ny nandimby azy kosa dia Atoa Ranjatohery Harilala amin'ny maha Filohan'ny Komitin'ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny gazety Malagasy azy.

Tatitra: Heriarilala
Sary: Rakazimira Tcg

 




Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 30/11/2016