Créer un site internet

 

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

28 Janoary 2015

FAMPIARAHANA NY HAIRAHA ARAKA ENDRIKA AMAM-BIKA SY NY HAISORATRA

Fampiarahana ny hairaha araka endrika amam-bika sy ny haisoratra, io no teny entina mamintina ny ranty sy ny varotra notontosain'i BRENTCH MBOLAMASOANDRO tetsy amin'ny Tahala Rarihasina nanomboka ny 13 janoary ka hatramin’ny 24 janoary lasa teo.

Noporofoiny tamin’izany fa ny tononkalo dia tsy voafetra ho ao anaty boky ihany fa azo aseho ao anaty endrika samihafa.

- lamban-databatra fihinanana - lamban-databatra - lambam-baravarana - lamba fitafy - hosodoko - Fafana fametraka amin'ny rindrina - Takelaka firarian-tsoa - Boky efa navoakany (tononkalo sy sombin-tantara)

Eto ampamaranana dia tsy hay ny tsy hidera ny ezaka nataon'i BRENTCH amin'izao fampirantiana izao vokatra izao izay "HAFA KELY" mihitsy.

Hita tao anefitrano ihany koa ny fafana natokana ho an'ny tononkalon'i BRENTCH satria tsy nanadino ny nandrakitra ho endrika hafa izany dian-tanany izany ho an’ireo mpankafy azy izay.

Tatitra sy sary : Ikaloyna

     
     
     
     
     
     
     
     
     
   

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 08/03/2019

×