Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

09 desambra 2016

FELANA RAVELOARISON
FANKALAZANA NY FAHA 20 TAONA NANORATANA SY ANEHOANA IREO SEHATRA IVELARANA EO AMIN'NY KANTO 

Telo andro tao amin’ny tahala Rarihasina Analakely nanomboka ny 6 desambra 2016 no natokan’i Felana nanehoana ny tontolony eo amin’ny sehatry ny literatiora an-tsoratra sy am-bava satria sady pôetan'ny Faribolana Sandratra ny andriambavilanitra no mpikabary ao amin’ny FIMPIMA ihany koa. 

Famoaham-boky mitondra ny lohateny hoe MIFANDRARY FITIA, boky faharoa nosoratany mitokana taorian'ny boky MANKATIA, narahin’ny fampirantiana ireo fafana maneho ny asa sorany, ireo lalana nodiaviny, ny boky efa navoakany, ireo haino aman-jery samihafa sy ireo famelabelaran-kevitra nandraisany anjara, antsa tononkalo ary fiaraha-maka sary sy tafatafa no natolony an’ireo havana aman-tsakaiza, ireo pôeta, ireo mpikabary, ireo mpankafy, ireo tanora mpianatra maro be nandritra ireo telo andro ireo.

Hitohy amin’ny sakafom-pifaliana izay hatao amin’ny sabotsy 10 desambra ho avy izao ao amin’ny INFRA Alarobia moa ity fankalazana ity.

Tatitra sy sary : Ikaloyna Vony (Pôetawebs).
 

Narentirenty ny MIFANDRARY FITIA Felana mitafatafa amin'ny namana
   
Felana sy ireo boky nosoratany Mankatia, boky nosoratany sy ireo hafa ahitana ny asa sorany
   
Fahatongavan'ireo mpianatra nitsidika Iza moa i Felana?
   
Akon'ny gazety
   
Hoy hatrany ireo gazety...
   
Tsipy tenin'ireo namany
   
Santionan'ny tononkalony
   
   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 09/12/2016