Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 desambra 2016

NAMELANA NIROBOROBO
Ny 20 taonan’i Felana


Koranam-pifaliana : izay no teny fohy mahafehy ny lanonam-pamaranana ny fankalazana ny faha 20 taona nanoratan’i Felana sy namelanany ny zava-kanto malagasy. Ny sabotsy 10 desambra no nanatanterahana izany tetsy amin’ny toeram-pisakafoana Haitsiron’Iarivo Alarobia.

Nanomboka tamin’ny 12.30 ny fotoana ary ny masoandro nilentika no nampalahelo. Vory lanona tao an-toerana ireo havana aman-tsakaizan’i Felana : tao ny avy amin’ny Faribolana Sandratra, tao ny Havàtsa, tao ny FI.MPI.MA., tao ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Minisitera, tao ireo namany maro ary indrindra ny fianakaviany.
 
 Fiaraha-mitsiky sy mitsako tamin’i Felana no nameno io tontolon-tolakandro io, koa mazava ho azy fa nibahan-toerana ny fiaraha-misakafo. Nandravaka izany rehetra izany anefa ny fanentanana sy fandrindran-danonana nataon’i Riambola Mitia, ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo Sakaizan’i Felana, ny fiantsana tononkalo nataon’ireo Poety namana sy ireo olona nampianarin’i Felana mikabary, ary indrindra ny rindran-kira maharenoka nataon’ireo Mpihira notsongain’i Felana. Nisongadina tamin’izany :


•  i Rija izay sady mpitendry maranitra no mpihira manga feo,
•  i Narisoa izay naman’i Felana tokoa ary ny hira miisa 5 noventesiny tao dia tononkalon’i Felana avokoa
• 
i Elsie, izay niara-nianatra sy niara-nilalao fahiny ary mbola mpinamana amin’i Felana ankehitriny
•  i Ariane izay nanokatra ny fidiran’ireo Mpanakanto Mpihira ary nanentanentana sy nahasarika tokoa
i Njakatiana izay anisan’ny mbola nambabo ny maro hatrany raha vao miaka-tsehatra
ary ilay tovolahikely mpanakanto mpihira tsy nampoizin’ny rehetra dia i Christian Kely tao amin’ny Pazzapa. Nahafatifaty aoka izany.


Nanafana sy nanentana ny fotoana, araka izany,  ny mpanohana sy mpikarakara an’i Felana, indrindra tamin’ity fankalazana ny faha 20 taona ity, dia i Jess Rakoto.

Samy nirary ny hiroboroboan’ny hoavin’i Felana eo amin’ny Haisoratra mba hisandratra hatrany ny rehetra tonga tao an-toerana.

Tatitra sy sary: HAJAINA

 

   
   
ôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 11/12/2016

×