Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

04 janoary 2016

HAVATSA UPEM - TAOM-BAOVAO 2017

Ny sabotsy faha 28 janoary 2017 no andro lehibe sy manan-danja raha teo amin'ny tantaran'ny HAVATSA UPEM na ny Fikambanan'ny Mpanoratra sy ny Poety Malagasy satria lanonana roa sosona no nankalazaina tamin'io andro io, dia :

1 - Ny fandraisana ireo mpikambana vaovao izay voaray tamin'ny volana desambra 2016, miisa 33, rehefa avy nandalo fankatoavana sy nandalo fifantenana teo amin'ny vaomieran'ny tekinika litereran'ny HAVATSA UPEM ary naroso teo anatrehan'ny Fivoriamben'ny mpikambana HAVATSA UPEM mba ahazoana ny fankatoavan'ny besinimaro.
2 - Ny fanolorana ireo mpikambana vao avy nahavita sedra nandritra ny herintaona ngarangidina, ka mendrika tamin'ny fihetsika sy fahafoizan-tena, ny SALOTRASINA izay midika fa voaray ho isan'ireo mpikambana raikitra sy ao anatin'ny fianakaviamben'ny HAVATSA UPEM.

Nanomboka tamin'ny roa ora ny fisokafan'ny lanonam-panombohana na dia efa tamin'ny iray ora aza dia efa feno ny efitrano lehibe filanonana ao amin'ny tahala Rarihasina Analakely. Kanefa na dia izany aza dia tsy maintsy nohajaina ny fandaminana rehetra ka naroso ihany tamin'ny ora efa nifanomezana.

Ny nanombohana ny fotoana dia ny fampahafantarana ireo mpikambana mandrafitra ny birao am-perinasan'ny fikambanana.
Nisy ny lahateny izay nifandimbiasan'ireo manam-pahefana tonga nanotrona sy nanatrika izany lanonana tsy manam-paharoa izany izay notarihan'ny filoha am-perinasan'ny HAVATSA UPEM Ramatoa ANDRIANASOLO Hajaina, ka nitondrany sy nitantarany fohifohy ny tantara sy ny lalana nodiavin'ny Havatsa Upem sy ny sedram-pahoriana niainana tao anatin'ny taona vao avy nodiavina ka nilazany tamin'ny ambangovangony ny fodiamandrin'ireo filoha am-boninahitra mirahalahy dia RAHAINGOSON Henri sy RAZAFIARIVONY Wilson izay andrarezin'ny asa fanoratana sady akademisianina rahateo. Noseraniny koa ny ho fitsenana ny faha 65 taonan'ny nitsanganan'ny fikambanana.

Lahateny
Nifandimby nandray fitenena avokoa ireo manam-pahefana tompon'andraikitra tonga nanome voninahitra ity andro ity.
Anisan'ny tompon'andraikitra nifandimby nandray ny anjara fitenenana tao ny filoha am-boninahitra RAMAKAVELO Desiré Philipe fantatra amin'ny anarana maha mpanoratra azy hoe Madera, izay nanoritsoritra fa mbola ho lava ny lalana ary mbola tokony hisy foana ny ezaka atao indrindra eo amin'ny ady atao amin'ny firoboroboan'ny fahasimban-teny. Nandray anjara fitenenana taorian'izay Ramatoa Esther RANDRIAMAMONJY Talen’ny Foibe momba ny teny avy ao amin’ny Akademia ary nanoritsoritany fa zava-dehibe loatra eo amin'ny tantaran'ny literatiora sy ny zavakanto izao lalana diavin'ny fikambanan'ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy izao. Mendrika loatra izany, hoy izy, ary nilazany sy nanambarany ampahibemaso fa misokatra tsy an-kijanona 365 andro amin'ny 365 andro ny efitrano malalaky ny Tahala Rarihasina ary anentanany ireo mpitia sy mpandala ny kanto ary ny soatoavina malagasy. Tao aorian'izay moa dia Ramatoa Laure RABARISON Talen'ny OFNAC ary nisolo tena ny fitondram-panjakana no namarana ny fandraisam-pitenenana.

Mpikambana 33 vaovao
Sambany teo amin'ny tantaran'ny HAVATSA UPEM no nisy andiany indray mihira marobe tahaka izao. Handalo sedra indray mandritra ny herintaona izy ireo alohan'ny fametrahana SALOTRASINA ho an'izay nahafeno antsakany sy andavany ny fepetra takiana amin'izany.

SALOTRASINA
Niavaka tanteraka ny fanolorana sy fametrahana ny SALOTRASINA ireo mpikambana nahavita sedra sy nahatontosa ny andraikitra sy adidy notakiana tamin'izany ary nianianan'izy ireo tamim-pomba feno fitiavana sy fanajana ny maha HAVATSA UPEM azy ireo, endrika fianianana mbola tsy fahita tao anatin'ny HAVATSA UPEM izany. Marihina fa tamin'ity andiany HAJAINA ity, anarana nosalorana nentin'izy ireo, no nisian'izao fianianana izao :

"Eto anatrehan'ny FIKAMBANAN'NY POETY SY MPANORATRA MALAGASY - HAVATSA UPEM sy ireo mpankafy ary ny fianakaviamben'ny Kolontsaina sy Haisoratra, IZAHO ... VELONA HO VELONA NY TENY SY HAISORATRA MALAGASY"

Dia toy izany ny toky nifanaovana ho an'izay nahavita sedra ka hiditra ho isan'ireo ho mpikambana raikitra.

Fiaraha-miala hetaheta sy korana
Fiaraha-miala hetaheta sy ny tsakotsako izay fomba mahazatra ny fikambanana no nanohizana ny fotoana.
Taorian'izany dia nantsaina ireo asasoratr'ireo mpikambana vaovao sy nandray ny SALOTRASINA. Nanafana ny korana ny tarika Fangia Kalo Gasy (mpikambana ihany koa ao amin'ny HAVATSA UPEM) sy ny tarika Bitsiky Ny Voary avy any Imerintsiatosika ary Fahary izay mpikambana vaovao.

Toy ny fanao isan-taona dia nofaranan'ny HAVATSA UPEM tamin'ny fizarana ny koba MADERA avy amin'Atoa RAMAKAVELO Desiré Philippe na i MADERA amin'ny maha mpanoratra azy ny fotoana.

Tatitra: Rabe Jiber
Sary: Lillac

 

 

   
   
   
   
   
   
   
   

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 16/02/2017