Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

21 febroary 2017

FITIA GASIGASY

Tonga ilay andro efa nandrasan’ny mpankafy pôezia natao ny sabotsy 11 febroary, nokarakarain’ny mpiraifaribolana Sandratra Fianarantsoa.

Vory lanona ny rehetra; tsy antonona ny efitranon’ny Alliance Française Fianarantsoa ka tany alatrano no nianoka izany ireo vitsivitsy tsy tafiditra.

Pôeta 11 mianadahy no niantsa ireo tononkalo tao anatin'ny boky: Pée, Irà, Lova, Ny Andry Afo, Monja Sidoana, R Jasmin Darmon, Angola Jean Roger, Diavolana Sambatra, Ranomainty, RFR ary i Pi-gasy niampy taninketsa 3.

Amin’ny maha FITIA GASIGASY ny hetsika dia fitafy malagasy, hira malagasy nokaloin’ireo mpiraifaribolana ihany no nanelanelana ny fotoana. Haingo malagasy no nanome endrika ny sehatra.

Raha somary natoritory ny hetsika pôezia tato anatin’izay roa taona izay taty amin’ny renivohitr'i Betsileo dia nanandratra avo ny lentan’ny kanto malagasy ity hetsika ity ary namoha indray ny fitiavan’ny mpankafy. Mainka avo roa heny ny fanantenana hamirapiratany satria nobatain’ i HAVANA Suzanne, taninketsan’ny mpiraifaribolana ihany koa ny amboara TONONKALOM-PITIA 2017 nokarakarain'ny fahitalavitra VIVA teto an-toerana.

Manome fotoana antsika tsy ho ela indray ny mpiraifaribolana Sandratra Fianarantsoa amin'ity taona ity.

Lahatsoratra : Andriatina
Sary : Ny Andry Afo
Rindra : Ikaloyna

   
   
   
   
   
   
   
   
   
   

 

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com