Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 febroary 2016

ALAROBIAN’NY HAVATSA UPEM, ALAROBIA MIVERINA
- HERINANDRO FAHAROA -

Toy ilay voalohany dia vory lanona indray ny tia sy ny manina tao amin'ny Tahala Rarihasina ny alarobia 8 febroary teo, ravoravo mitsena hanina, vokivoky misalin’embona, fenofeno fa tonga vahiny. Laingolaingom-paraky maro homana, foly mainty maro mpitady. Lazao ny teny tsy ho lainga aho ry zandry fa mamon’ny ampitso lava.

Nigadona ny tamin’ny roa ora tsy diso. Kabarin-dRainisalamana izy ity, hoy Hajaina Andrianasolo Filoha am-perinasa, ka izay tonga dia mikatroka ary ny sisa manaraka ihany. Nosoritsoritiny ny fomba fiantsana tononkalo ary ambentin-teniny fa tsy hiraina ny fiantsana tononkalo, tsy vakiana ny tononkalo fa hojerena. Vita izany dia roso tamin’ny fiantsana tononkalo avy hatrany izy, narahin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao foibe toa an-dry Hantanoro Rabel, Andriafaly Thina, Oly (Agnès Rakotoson, zanaky Rajemisa Raolison, filoha mpanorina).

Mbola i Oly ihany no nanazava fohifohy ny fomba fanoratana sy fomba famoronana boky. Izy no nanoratra ny boky LOVAKO izay ampianarina any amin’ireo ambaratonga rehetra misy eto amintsika, LOVAKO 1 ka hatramin'ny LOVAKO 9, miatomboka any amin’ny Garabola ka tonga hatrany amin’ny kilasy famaranana. Ny tarana-boanjo tokoa hono foto-boanemba e! Fiantsana tononkalo iray amin’ny teny frantsay no namaranany ny anjarany.

Rabe Jiber mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM no vahinin’ny ALAROBIAN’NY HAVATSA, ALAROBIA MIVERINA, fotoana ihaonan'ny mpanoratra am-perim-panoratana sy ny vahoaka. Nanazava ny antony nahatonga azy ho mpanoratra izy ary nitantara ny lalana nodiaviny, indrindra moa fa teo amin’ny asa fanoratana ka nahatonga azy hisafidy ny ho HAVATSA UPEM.

Maro ireo vahiny tonga nanotrona ity andiany faharoa ity ka singanina manokana ny fikambanana rahavavy FARIBOLANA SANDRATRA izay notarihin’ny filohany avy eto Antananarivo Riambola Mitia niaraka tamin’ireo mpikambana vitsivitsy, tonga nanome voninahitra ity andiany faharoa ity izay samy nandray anjara tamin'ny fiantsana tononkalo.

Niavaka koa ireo mpianatra avy eny amin’ny ambaratonga ambony izay nanohina ary tsy vitan’ny fanotronana fotsiny fa niantsa tononkalo maromaro mihitsy. Tsy hay hadinoina koa ny fahatongavan’ireo fikambanana maro samihafa nanafana ny sehatra, izay ialan-tsiny fa tsy ho voatanisa eto noho ny habetsahan'izy ireo. Teny anelanelam-potoana dia ireo mpikambana'ny HAVATSA UPEM no nanafana ny fotoana tamin’ny alalan’ny fiantsana ny tsanganasan’ny tsirairay avy, niampy ny fiantsana ny asasoratr’ireo mpanoratra zokiny, na ireo efa nodimandry izany na ireo mbola am-perim-panoratana.

Toy ny mahazatra dia nofaranana tamin’ny enina ora hariva ny fotoana na dia mbola samy nalai-nisaraka aza ny rehetra e.
Manasa antsika rehetra:

ALAROBIAN’NY HAVATSA UPEM, ALAROBIA MIVERINA
hetsika mandavan-taona!

Tatitra: Rabe Jiber

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com