Créer un site internet

2   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 marsa 2017

ANDRON'NY POEZIA - UNESCO TAO TANJOMBATO

Tontosa tao amin'ny American Corner tao Tanjombato tamin'ny 21 marsa teo ny hetsika ho fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny poezia. "Izaho sy ny Fireneko" no teny faneva narentirenty tamin'izany ary fifaninanana antsa tononkalo no nokarakarain'ny UNESCO sy ny fikambanana
American Corner ary notohanan'ny Minisiteran'ny kolontsaina, fampiroboroboana ny asa tànana ary fiarovana ny vakoka sy ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.

Izany no natao dia mba ho fandrisihana ny ankizy ho tia vaky boky. Maro ireo tanora nandray anjara ka nahitana ireo avy amin'ny Lycée Andohalo, ny mpikamban'ny American Corner ary ny Kartien'ny tanoran'Ampefiloha.

Tsapa tokoa ny fahavitrihan'ireo ankizy mpandray anjara sy ny fiezahana natao. Tononkalo telo avy no nantsain'ny ankizy ary tamin'ny teny malagasy avokoa.

Nampiavaka an'io andro io koa ny fandraisan'anjaran'ny rehetra tamin'ny antsa nandravahana ny fotoana ka nisy ireo nanao izany tamin'ny teny frantsay sy anglisy.

Ny mpikambana avy ao amin'ny Faribolana Sandratra no nanatontosa ny fitsarana. Miisa 10 ireo notolorana mari-pankasitrahana (tao Tanjombato sy tao amin'ny Quartier Général des Jeunes de la Région d’Analamanga) ary ny American Corner sy ny UNESCO no nanome ny loka.

Ny 22 marsa ihany dia efa niroso tamin'ny fiofanana natolotry ny Commission Nationale Malgache pour l'UNESCO izy ireo, fiofanana ifandrombonana amin'ny Faribolana Sandratra ary nahitana an'i Niry-Solosoa. Marihina fa ity fiofanana ity dia natao ho fanentanana ny tanora hahatsapa ny haren'ny poezia malagasy sy sy maha zava-dehibe ny fahasamihafan'ny fahafaha-maneho hevitra ara-kolontsaina.


Tatitra: Toetra Ràja
Sary: Hanitra Olive

Ireo mpitsara sy mpikarakara
   
Ireo nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana, niaraka tamin'ireo mpitsara sy mpikarakara
   
   
  Ireo 12 mianadahy nifaninana
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 23/03/2017

×