Créer un site internet

2   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 marsa 2017

21 Martsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny poezia

Niezaka nanamarika izany avokoa ny fikambanana mivoy ny kolontsaina, ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana. 

UNESCO sy ny Américan Corner Tanjombato
Nanomboka izany ny teny amin'ny Américan Corner Tanjombato, toerana an'ny vahiny saingy nahatsapa ny lanjan'ny kolontsaina. Narahan'ny tao amin'ny ANS Ampefiloha. Nahitana fifaninana tononkalo ho an'ny mpianatra nokarakarain'ny UNESCO ary notohanan'ny Minisiteran'ny kolontsaina, fampiroboroboana ny asa tanana ary fiarovana ny vakoka sy ny minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Nisitraka fiofanana ihany koa ny mpianatra liana amin'ny fanoratana.

Tranombokim-pirenena Anosy
Nanohy izany ny tao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny fizaran'ny Minisiteran'ny kolontsaina mari-pankasitrahana ho an'izy efatra mianadahy (Ny eja, Fanja Razah, Rima, Avelo Nidor) nizara traikefa tamin'ny mpanoratra vao misandratra.

HAVATSA-UPEM teo anoloan'ny TAHALA RARIHASINA
Nanakatona izany fankalazana izany ny HAVATSA-UPEM tamin'ny fanomezana sehatra ny mpanoratra rehetra niantsa teo anoloan'ny TAHALA RARIHASINA Analakely. Azo ambara ho feno tokoa ny fankalazana ary nitombo hasina sy lanja ny tononkalo Malagasy.



Tatitra: Doda Razafindravelo
Sary: Hanitra Olive

Ireo mpitsara sy mpikarakara tao amin'ny Américan Corner Tanjombato
   
Ny tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy
   
Ny HAVATSA-UPEM teny amin'ny Tahala Rarihasina Analakely
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com