Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta Bitsik'ivan'ny poeta

09 Febroary 2015

IZAO NO ARY : HETSIKY NY SANDRATRA - 24 Janoary 2015

Tanteraka soa aman-tsara ny hetsika voalohany niarahan'ny Mpiraifaribolana Sandratra sy ny mpankafy azy nahatratra ny taona 2015 tao amin'ny CGM Analakely ny 24 Janoary lasa teo, ka nahatonga ny lohateny hoe IZAO NO ARY.

Antsantononkalo niavaka no naseho satria nampianohana ny mpijery tamin'ny antsan-tononkalo tsy noelanelanina hira izay niangalian'ireo mpiray faribolana toa an'i Darf, Haingohaja, Liantsoa, Elinivo, Faniry Hantarinivo, Hasintosa, Hery Mandaniaina, Kens Andrianjafy, Martelle Nath, Mina Ilarion, Ny Andriniela, Vatoary...

Tatitra sy sary : Ikaloyna

DARF sy Haingohaja Elinivo Faniry Hantarinivo
     
Harintsoa Hery Mandaniaina Liantsoa
     
Martelle Nath Mina Ilarion no miantsa. Zazangaly no eo anoloana misolomaso Ny Andriniela
     
Vatoary    
     
     
   
Ireo mpijery    
     

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021