Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 marsa 2017

HIKITIKA NY LAINGONY II

Natao tao amin'ny Cemdlac Analakely tamin'ny 22 martsa lasa teo ny antsa tononkalo niarahana tamin'izy 5 miarahalahy (Varika Nyarovana, Diampenina, Andry Tsifakoina, Ny Aiko Razafimanantsoa, Feon'ny Fo) mnitondra ny lohateny hoe HIKITIKA NY LAINGONY II.

Hikitika ny laingony?
Mazava ho azy aloha fa ny laingony, amin'ny ankapobeny, dia hita amin'ny toerana ambony. Tanjon'ireo mpikitika ny laingony ireo ny hanandratra ambony indrindra ny literatiora malagasy.

Nizara telo mazava tsara ny seho izay nahitana tara-kevitra momba ny fitiavan-tanindrazana, ny fahafatesana ary ny fitiavana izay nisongadina tsara.

Narahina hira kanto niangalian'ireo namana vao misandratra izany rehetra izany ary nampian'i Zara Ainga fanentanana koa.

Naneho fisaorana ireo rehetra nanatrika izy dimy mirahalahy tamin'ny alalan'ny lahateny fohy nataon'i Varika Nyarovana hoe:

"Mankasitraka mankatelina anareo rehetra nanatrika ny hikitika ny laingony II, dia manantena anareo amin'ny hikitika ny laingony III ny sabotsy 25 martsa 2017 any Moramanga sy ny 26 aprily 2017 eto amin'ny CEMDLAC Analakely.
Ny hafatra kely farany dia ny hoe asandrato avo ny kolontsainantsika fa manana betsaka isika..."


Tatitra sy sary: Léa Fandresena

 

  HIKITIKA NY LAINGONY

Tontolo vaovaon'ny fiaraha-mankafy.
Endri-pahasambarana ato anaty poezia.
Tontolo hahafaha-miaina ny nofinao sy ny ahy.
Fotoana iray hiainan'ny misin'ny fanahy.

HIKITIKA NY LAINGONY
Ora vitsy amoahana ny miafina rehetra.
Ny misy sy mitoetra ary niainana hatrizay.
Tsy araka ny heverina ho zava-betaveta.
Fa kosa enti-miaina anaty singa hafa ankiray.
Tonga antsaina hoazy.... poezia izay.

HIKITIKA NY LAINGONY
Tsy ditran’ny poeta
Tsy resa-betaveta na malotoloto saina
Tsy hoe tsy fahaiza-miaina fa…

HIKITIKA NY LAINGONY
Hitsotra eto ilay faingony
Hivaly ny baraingony
Fonosantsika anatin’ny poezia feno haingony

HIKITIKA NY LAINGONY
Tsy sanatria ka saina efa zatra lalan-dratsy.
Tsy zavatra nohanina mahery na tsy tanty.
Tsy akory kinga saina na koa malama vava
Fa tsotra sy mazava.

HIKITIKA NY LAINGONY…
  
  

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 26/03/2017