Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 marsa 2017

Ny Vehivavy sy ny Fitiavan-tanindrazana

 

Hetsika ara-javakanto nokarakarain'ny Havatsa UPEM sy ny AIFM Madagasikara ny 22 marsa lasa teo. Nosokafana tamin'ny 2.30  tolakandro ny lanonana, izay notarihin’ny Filohan’ny Havàtsa sy ny Filohan’ny AIFM-Madagasikara. Noravahin'ny TAFASIRY KOLOKANTO tamin'ny hira kalon'ny fahiny, ny HAVÀTSA-UPEM ary ny  mpiantsa tononkalo Dia Volana tamin'ny tononkalo manome lanja ny "ny Vehivavy sy ny Fitiavan-tanindrazana".

Hita taratra tao ny fankafizan'ny mpanatrika ny kanto ary liana tanteraka ireo mpandalo tamin'ny antsa sy ny ranty natao tao amin'ny efitrano fampirantiana Tahala RARIHASINA, izay marihina fa nezahina nohatsaraina sy noravahina fatratra.

Mety ho mahaliana antsika ny hahafantatra ny rindram-potoana (répertoire) izay tanteraka an-tsakany sy an-davany, fa ny mety ho tombony dia tsy namelan’ny Mpijery raha tsy nanampy hira miisa EFATRA ny TAFASIRY KOLOKANTO teny am-pamaranana ary ny hira "Bôklitsy" dia naverina indroa.

 

FIZARANA VOALOHANY

Lohateny Mpiantsa Mpanoratra
Ilo mby an-doha Hantanoro Hajaina
Ny vehivavy Diademan’ny tadio Nirhy Lanto
TAFASIRY KOLOKANTO : ZAVAVY
Lamba R-TOX Dox
Mifanahim-biby Ramala Hajaina
TAFASIRY KOLOKANTO : FAINGÀNA
     
Ny tena reny Rinasoa Nirhy Lanto
Fantatro ianao Ramala Clarisse Ratsifandrihamanana
TAFASIRY KOLOKANTO : BAO SA BEBY
Dada Tojo Rakotomandimbiarison JR
Neny Nirina Rakotomandimbiarison JR
TAFASIRY KOLOKANTO : TANDREMO
Lehilahy sy vehivavy Ifaralahy sy Hantanoro Hajaina
TAFASIRY KOLOKANTO : RAHOVIANA NO HIPAIKA

 

FIZARANA FAHAROA

Lohateny Mpiantsa Mpanoratra
Ny tanindrazantsika Kanto Hajaina
Ny tanindrazantsika Ifaralahy IP Andriamangatiana
TAFASIRY KOLOKANTO : NOSY TANINDRAZAKO
Tsofy rano Ifaralahy Ranjatohery Harilala
Mpikabary ianao Tapaporohana Hajaina
TAFASIRY KOLOKANTO : TANISA
29 marsa Nirina Hajaina
Fahaleovantena Hamy Esther Randriamamonjy
TAFASIRY KOLOKANTO : MITOTO VARY DIAVOLANA
Ile aux syllabes Diademan’ny tadio Jacques Rabemananjara
Redim-bavak’i Kiritika Ifaralahy Hajaina
TAFASIRY KOLOKANTO : ANY HO ANY
Ny fifaliako Diavolana Mira Oelimalala
TAFASIRY KOLOKANTO : BÔKLITSY



Niompana tamin’ny lohahevitra VEHIVAVY ny tapany voalohany kanefa voasafo ao ihany ny tanindrazana ary saika niompana tamin’ny lohahevitra FITIAVAN-TANINDRAZANA ny tapany faharoa fa eo hatrany koa anefa ny olombelona vehivavy.
Ireo hira efatra mbola nangatahin’ny Mpijery
-    VOROMPOTSY MIARA-DIA
-    TAHOTAHON-KATSAKA AN-TANIMPARIHY
-    INONA MOA NO IFANDRAFINDRAFIANA
-    BÔKLITSY

Nifarana tamin'ny 5 ora hariva ny lanonana ary nalai-nisaraka ny rehetra ary manontany ny « rahoviana indray ô »

Tatitra: Hajaina

Sary: Lillac

http://poetawebs2.e-monsite.com/medias/images/hav-veh-tdzn-1.jpg

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/11/2019