Brentch Mbolamasoandro - Lanonana faha 20 taona nanoratana

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
08 jolay 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Brentch Mbolamasoandro

Lanonana faha 20 taona nanoratana

Tontosa tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, tamin'ny 4 jolay 2019 teo ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha 20 taona nanoratan'i Brentch Mbolamasoandro pôeta, mpanoratra, mpanoratra tantara tsangana, mpiangano, mpanao hosodoko. Ity lanonana ity dia teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Lahateny nifandimbiasana
Nifandimby nandaha-teny tamin'izany i Brentch Mbolamasoandro, ny solontenan'ny FAVI (Fédération des Arts VIsuels), ny Filoha am-boninahitry ny Havàtsa-Upem, ny Filohan'ny FMTS (Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra) ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO.

Nanatrika ny fotoana ny olo-manan-kaja samihafa avy ao amin'ny Fiadidian'ny Repoblika, ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina nomban'ireo tale samihafa ao amin'ny ministera, ireo Mpikanto ao amin'ny FMTS...

Fanapahana koba, antsa sy hira
Niavaka ny fanapahana koba notanterahin-dRtoa Minisitra, Brentch Mbolamasoandro ary i Madera (Havàtsa-Upem) teo amin'ny latabatry ny fitsako sy ny fisotro.

Antsa sy ny hira samihafa no namaranana ny fotoana.

Tatitra : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/07/2019