Créer un site internet

   

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 MARSA 2017

HIKITIKA NY LAINGONY III TAO MORAMANGA


Mitsangana miankavanana: Ny Aiko R., Rindrampanahy, Lokondanitra, Fenotsiky, Diampenina, Heloka.
Mipetraka miankavanana: Naly Manjaka, Varika Nyarovana, Nofy Fanantenana (mpihira)
 
Taorian'ny antsa Hikitika ny laingony II teto andrenivohitra dia niaraka nidina tany Moramanga indray ny Pôety maromaro nitondra ny Hikitika ny laingony III tao amin'ny Lycée Razafindraibe Victorien. Tamin'ny 2 ora sy sasany tolakandro no nanomboka ny fotoana ary nosokafan'ireo mpianatra ao amin'ny Lycée tamin'ny hira nanehoan'izy ireo talentany.

Rehefa vita ny teny fiarahabana dia nanomboka nianoka ny aingam-panahin'i Lokon-danitra, i Naly Manjaka, i Rindram-panahy, i Heloka, i Diampenina ary i Varika Nyarovana ny olona maro be nameno ny efitrano filanonana.

Nizara telo ny fotoana ary niompana tamin'ny fitiavana tanteraka: fitiavan'olon-droa, fitiavan-tanindrazana ary tsy natao ambanin-javatra ny fianakaviana.

Tetsy andaniny dia nanampy ny hafenoan'ny ritso-panahy ny antsan'Ny Aiko R. sy i Fenotsiky. Ny hira nanelanelana nokaloin'ireo mpianatra manga feo moa manginy fotsiny. Raha nanontaniana moa ry zareo nandritra ny fotoana natokana hitafatafana tamin'ny mpianoka dia namaly i
Varika Nyarovana fa "masina ny tontolon'ny haisoratra ka ny laingony mihitsy no hozohian'izy ireo ary tsy hitsaharana ny hikitika ny laingony raha tsy any amin'ny andiany fahafolo.

Tamin'ny dimy ora latsaka fahefany no nifarana ny fotoana na dia hita ho sondriana sy mbola tsy te-hisaraka aza ny mpianoka sy ny mpiantsa. Mankafy asasoratra i Moramanga ary indrindra ny mpianatry ny Lycée Razafindraibe Victorien, ary rariny raha mamokatra mpiangaly maro be toa izao i Moramanga.


Tatitra sy sary : Andry Anjafiniaina

 

Varika Nyarovana Fenotsiky
   
Diampenina sy Ny Aiko R. Diampenina
   




 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 29/03/2017