Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

29 marsa 2017

ZARAFANAHY ANDIANY FAHAFITO

Tontosa tamin'ny sabotsy 25 martsa lasa teo ny Zarafanahy andiany fahafito izay natao tao amin'ny CGM Analakely nanomboka tamin'ny 3 ora tsy diso. Ny hetsika tahaka izao dia fanaon'ny Faribolana Sandratra isaky ny volana martsa, izay volan'ny poezia rahateo araka ny namaritan'ity mpiraifaribolana ity azy.

Zarafanahy tokoa satria dia nifarimbonan'ireo loko isan-karazany, aingam-panahy samy manana ny hakantony. Nisolo tena ny Faribolana Sandratra Antananarivo i Mampandry ny Aina, Laingontsiky, Kalo Fanomezana. Nampiavaka ny antsa nataon'izy ireo ny seho kely toy ny teatra nandravahany ny antsa. Radiaf kosa no nisolo tena ny Faribolana Sandratra Vatomandry, niavaka tamin'ny fahaizany mifehy ny teny betsimisaraka. Hobiana no solontenan'ny Havatsa Upem Arivonimamo, ary Thina Andriafaly Havatsa Upem ihany koa. Ando Harinjaka no solontenan'ny Korira Kanton'ny Haisoratra. Niantsa tao koa i Zara Ainga sy i Fanojo. Tsanta Priscilla Rakotoniaina no nivoy ny slam tamin'ny endriny mahafinaritra, fa hafakely koa ny nanehoan'i Conan avy ao amin'ny Madagaslam ny anjarany.

Azo lazaina fa feno ny kanto, tahaka ny fahafenoan'ny efitranon'ny CGM ihany koa. Nafana dia nafana ny fiarahana, ny irariana dia ny hitohizan'ny hetsika toy izao. Tsapa tokoa fa mampiray ireo talenta samy hafa loko, nefa samy manana ny hanitra ho azy, ity hetsika ity, izay nahafahan'ny mpijery nianoka koa ny rap, slam, beko, "a capella".

Nisy ny boky niraisan'ireo pôety ireo ho tsangambaton'ity Zarafanahy andiany fahafito ity.

Tatitra: Hanitra Olive
Sary: Nirindra Rafalimanana

   
   
   
   
   
   
   


   
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 31/03/2017