Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

16 jona 2017

Tafasiry an-tononkalon'i Di... sy Dox

 

Notanterahina tamin'ny Sabotsy 10 jiona 2017 ny Tafasiry an-tononkalon'i Di... sy Dox, izay nosokafan'i Hajaina Andrianasolo filohan'ny Havàtsa-Upem, nolalaovin'ny mpikambana Havàtsa-UPEM sy ny Diavolana izay sakaizan'ny Havàtsa, noravahin'ny hira kalon'ny Fahiny nataon'ny TAFASIRY KOLOKANTO.

Ity lanonana ity dia notronin-dRamatoa Tale Jeneralin'ny Foibe momba ny Teny an'ny Akademia Esther Randriamamonjy, ny fianakavian'i Dox, ny sakaizan'ny havatsa ary koa ireo liana rehetra.


Ireto avy ireo namelona ny ANTSA: Jao Anjara, Dol'Aj, Njanja, Jacynthe, Hajaina, Lillac, Miary, Hamy, R-TOX, JP Randria, Tojo, Tapaporohana, Ifaralahy, Rianasoa, Ramala, Anita, Diademan'ny Tadio.


Nanomboka tamin'ny 2 mahery ny fotoana ary nifarana tamin'ny 4. Rakotry ny mpankafy haisoratra ny efitrano fanaovana fampirantiana tao amin'ny Rarihasina. Niezaka ho amin'ny tsara hatrany ny Havàtsa, teo amin'ny fikarakarana ny lafiny tekinika toy ny fanofàna fanamafisam-peo ara-penitra, ny jiro, ny ravaka izay nataon-dRakemba efa mpahay izany.

 

Tononkalo mifampiako no nitondra ireo Mpijery haka sarinofy ny kanto ao an-tsain'i DI.... sy DOX, nitondra faharendrehana tanteraka teo am-pankafizana ireo hira kalon'ny fahiny sy omalin'ny TAFASIRY KOLOKANTO.


Karazan'olona maro no tonga nanatrika tao toy ny mpianatra, Ray aman-dReny, mpanoratra. Nisy ireo tonga avy lavitra toa an'i Hobiana sy Ony Ravorombato. Saika tsy nisy niala teo am-pitoerany ireo Mpijery na dia efa notairina aza hoe mifarana ny fotoana ary nalaina hisaraka aza satria mbola nijanona hifampitafatafa. Maro aza no mbola nangataka indray ny hamerenana ny seho ka anisany Ramatoa Esther Randriamamonjy, izay miangavy izany tsy ho ela ary amin'ny endriny tononkalo mifampiako hatrany, koa IZA sy IZA indray?

Tatitra sy sary: Lillac
 

   
   

 

   
   
   
   
 
   
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com