Créer un site internet

  

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 jona 2017

HAVATSA-UPEM TAO IMERINTSIATOSIKA


Nomen'ny Kaomina Imerintsiatosika toerana ny Havàtsa-Upem Sampana Arivonimamo ny 27-28 jona 2017 teo, tao anatin'ny fanokanana ny Lapan’ny Tanàna vaovao. Fampirantiana momba ny Havàtsa-Upem no notanterahina. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny Havàtsa-Upem sy ny iray volan’ny teny malagasy rahateo moa ity hetsika ity sady natao ho fampahalalana ireo mpanoratra mpikambana ao an-toerana sy ireo sakaizan'ny fikambanana.

Liana dia liana tokoa ny mponina tao Imerintsiatosika nanaraka ny fampirantiana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, ary naneho ny hetahetany ny mba hitohizan’ny hetsika ara-haisoratra toy izao hatrany. Nisy aza moa no tsy nisalasala nanontany sahady ny fomba atao hidirana ho mpikambana ary dia tonga nanatona mihitsy naneho ny asasorany. Nohazavaina tamin’ireo mpanatrika ny momba ny fikambanana, ny niorenany, ireo filoha nifandimby, ny gazety Valiha ary ny sampana Arivonimamo.


Tonga nanome voninahitra izao fampirantiana izao ary nanentana izany ny Filoha am-boninahitry ny Havàtsa Arivonimamo (Hobiana) sy ny Filoha ankehitriny (Ravorombato). Marihina moa fa dia antomotra dia antomotra ihany ny fanomanana azy satria tao anatin'ny roa andro alohan’ny fampirantiana no namehezana ny fikarakarana. Nisy araka izany ny fahasarotana teo amin'ny ara-pitaovana saingy tsy nahasakana ny fanatontosana soa aman-tsara izany.

Ankoatra ny fampirantiana dia nisy ny antsa niarahana tamin'ny Korira sy ny Groupe Ezaka tao Imerintsiatosika ny 28 jona nanomboka tamin'ny 2 ora.

Isaorana manokana ny Ben’ny Tanànan'ny Imerintsiatosika nanome anjara toerana ny haisoratra toy izao. Ankasitrahana tanteraka ny Havàtsa-Upem Foibe izay nanome malalaka ireo fafana tena ilaina nahaliana ny mpijery. Ny irariana dia ny hitohizan’ny fiaraha-miasa satria dia mbola manana fikasana izahay hitondra izany aty Arivonimamo. Tolorana tsiky malefaka ireo mpanoratra eto Imerintsiatosika izay navitrika tokoa. Tsy kely indrindra ary tsy am-para filaza ny Tranonkala Poetawebs, mpanaraka ny hetsika fanaon'ny Havàtsa-Upem Arivonimamo.


Tiana ihany ny mamintina fohy ny hetsika tamin’ny Alahady 11 jona 2017 teo, niarahana tamin’ny STK Feo sy Antso Arivonimamo, fa dia nahafa-po ny mpikarakara sy ny mpianoka. Io hetsika io no natao dia noho:

- ny iray volan'ny teny malagasy
- ny fetim-pirenena
- ny iray volan'ny ankizy.

Tononkalo niisa telopolo teo ho eo no nantsaina ary maro ireo maniry ny hitohizan'ny hetsika.


Tatitra sy sary: Dindon'ny Omaly

FAMPIRANTIANA 27 - 28 JONA 2017 IMERINTSIATOSIKA
 
   
   
 
   
   
   
   
   
HETSIKA 11 JONA 2017 ARIVONIMAMO 
   
   
   
   
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 01/07/2017

×