Créer un site internet

  

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

04 aogositra 2017

AKADEMIA - LANONAM-PAMARANANA 2017

Tontosa ny sabotsy 29 jolay teny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza nanomboka tamin'ny 10 ora maraina ny lanonam-pamaranana ny taom-piasan'ny Akademia 2016-2017.

Ny Mpitarika ny sokajy voalohany ao amin'ny Akademia no namaky lay ny fitenenana, ka nisolotena tamin'izany Andriamatoa Nalisoa Ravalitera. Tsy nisy lahateny lava taorian'izay fa nanolotra ny fandaharam-potoana avy hatrany ny Filohan'ny Havàtsa-Upem; ary dia seho an-tsehatra nifanesy tsy ankijanona nandritra ny adim-pamantaranora roa, tsy nahasempotra, tsy nahasorena fa nahasondriana.

ANTSA TONONKALO noravahina hira BA GASY. Ny Mpikambana Havàtsa-Upem no niangaly ny fiantsana, ny Havàtsa izay voatendrin'ny Akademia hitarika sy handrindra ity lanonana ity rahateo ary tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha 65 taonany. Ny TAFASIRY KOLOKANTO avy eny amin'ny Sekoly ambony manofana ho Mpampianatra (ENS Ampefiloha) sy ny VAKOMANITRY NY ANTENIMIERANDOHOLONA kosa no nandravaka tamin'ny alalan'ny hira.

Tononkalo mifampiako miisa telopolo mahery no nantsaina. Ohatra amin'izany ry DOl'AJ namaly ny "Tsy te.." an'i DOX amin'ny hoe "TE..", ry Thina namaly ny "Rehefa maty aho" an'i Jasmina Ratsimiseta amin'ny hoe "any aho"; ry Danie RND namaly ny "Embona" an'i Jean Joseph Raberarivelo amin'ny hoe "Rediredy"; ry Jao Anjara namaly ny "Tsy misy" an'i Rado amin'ny hoe "Mahezera"; ry Livatra namaly ny "lasa izy" an'i Om-Gui amin'ny hoe "Tafaverina izy", ry Hajaina namaly ny "Fantatro ianao" an'i Clarisse Ratsifandrihamanana" amin'ny hoe "Mpikabary ianao"; i Nicks namaly ny "hafatra" an'i Rado amin'ny hoe "Valin-kafatra"; i Hantanoro namaly ny "Amicie" an'i DI... amin'ny hoe "QUI..."; sy ny sisa.

Ireo hira ba gasy tsy tontan'ny ela no haingo tanelanelan'izany rehetra izany, izay nampangorintsina ireo Mpijery tao anatin'ny fahafinaretana lalina. Anisany ny "Injany feom-boro-mikalo", "Harena sarobidy", "Ò ry tsiriry mandalo kamory", "Inona moa no ifandrafirafiana", "Zavavy".

Ny Profesora Rajaonson no nanao ny lahateny famaranana, Filohan'ny Sokajy fahatelo. Nisaotra ny mpandray anjara seho an-tsehatra rehetra sy ireo mpanatrika vory maro izy; satria dia niara-nankafy teo avokoa ny Mpianatra, ny Mpampianatra-Mpikaroka, ny Mpanakanto, ny Mpiasam-panjakana, ny olon-tsotra, indrindra moa fa ireo Akademisiana mpampiantrano ny hetsika. Nitokona teo amin'ny toerany ary saika tsy nisy nitsangana hivoaka ny efitrano ny rehetra na dia efa katroka aza ny mitataovovonana sy efa niteny ny Profesora Rajaonson fa "mifarana ny fotoana ka misaotra tompoko", raha tsy injay nisy feon-javatra kely nipoaka nanambara fa.... tapaka ny herin'aratra.

Hiato anatin'ny fotoam-pialantsasatra, araka izany, ny Akademisianina ary amin'ny volana oktobra indray vao hiverina hiasa, ka hisantarana ny taom-pikatrohana asa 2017-2018 ny fitaterana ny zava-bita 2016-2017.

Tatitra sy sary: Doda Razafindravelo Randriamananjara

 
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 05/08/2017

×