poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

09 septambra 2017

FAHA 65 TAONAN'NY HAVATSA

Noho ny faha 65 taonan'ny Havàtsa Upem dia nisy ny fankalazana sy fiaraha-mifaly ary mikorana ny 6 septambra 2017 nanomboka tamin’ny telo ora sy sasany, natao teny Andrainarivo, fonenan’ny Jeneraly Desiré Ramakavelo na Madera, Filoha am-boninahitry ny Fikambanana.

LAHATENY
Nanombohana ny fankalazana ny lahateny fohy notanterahin’ny Filohan’ny Havàtsa-Upem Ramatoa Hajaina Naomy Andrianasolo, nanoritsoritany ny momba ny fikambanana sy ny anton’ny fankalazana. Tsy nohadinoiny teo ny nanazava ny tsy nahafahana nankalaza izany ny taona lasa noho ny fahoriana nisesisesy nitranga teo anivon'ny fikambanana, ary rariny hoy izy amin’ity andro ity raha mankalaza izany amin'izay isika. Nisaotra manokana ny tompon-trano izy ny amin’ny nampandrosoana ny mpikambana rehetra. Nomarihiny ihany koa fa niara-nankalaza ity faha 65 taona ity tamin’io andro io ihany koa ny Sampana Fenoarivo Atsinanana sy ny Sampana Frantsa.

Ny namaranany ny lahateniny dia ny fitanisana ireo hetsika hatrehina mandritra ny Herinandron’ny Havàtsa fanao isan-taona.

Rehefa vita ny lahateny fohy nataon-dRamatoa Filoha dia nandimby nandray fitenenana kosa i Madera, nanambara ny hafaliany sy ny fahavononany hatrany ny hiara-hiasa mandrakariva amin’ny fikambanana raha mbola azony atao sy tratry ny heriny.

 

FITSAKO SY FISOTRO
Taorian’ireo lahateny ireo dia niroso tamin’ny fifankahafantarana ireo tonga nanatrika ny korana ary notohizina tamin’ny fitsako sy fisotro rehefa avy nampakatra ny vera ho fanononana ny firarian-tsoa ho an’ny Mpikambana sy ny Fikambanana.

 

FANAFANANA NY LANONANAi
Na amparam-pilaza aza dia tena lehibe ny fanafanana ny lanonana notanterahin’ny TAFASIRY KOLO KANTO, sakaizan’ny Havàtsa, nameloman’izy ireo an-kira ny tononkalon'i Dox "O ry Tsiriry mandalo kamory", Ny Avana Ramanantoanina "Asakasakareo", Rado "Sambatra ianao", Ener Lalandy "Siokan'ny manina" sns. ka nahaliana ny mpikambana rehetra. Tao anatin’izany ihany koa dia nisy ny fihirana tamin’ny fotoana fohy ny Hira tao anatin’ny roa andron’ny Poeta noforonina tamin’ny taona 1995, voan-dalana novimbinin’i Narinjato avy any Antsirabe (tonony eo ambany). Nilaza moa Ramatoa Filoha fa hianarana izany mandra-pahatongan'ny faran’ny volana septambra izay hanatanterahana ny Mbarakaly ny 26 oktobra. Ny famaranana ny herinandron'ny Havàtsa dia ampahatsiahivina fa ny 29 oktobra
. 

Ho famaranana ny fotoana dia nisy ny fandidiana ny koba Madera ary ny fanapahana ny mofomamy IPA. Hipoka tokoa ny efitrano ary tena feno hafaliana ireo nanatrika miisa 50 eo ho eo. Tsy nohadinoina tamin’izany ny pika sary ho fahatsiarovana ny andro malaza toy izao izay 65 taona indray mandeha fa tsy miverina indroa. Nanambara aza moa Ramatoa Filoha fa io datin'ny 6 septambra 2017 io no tena manan-danja tanteraka amin’ny tantaran’ny Havàtsa.

Tatitra: Ravorombato Ony
Sary: Narinjato
-------
HIRA FANEVAN’NY U.P.E.M
(Noforonina tamin’ny “ROA ANDRON’NY POETY 1995”

NY TENY MALAGASY

Ny Teny Malagasy
No Tenindrazantsika
Tsy avela hangasihasy
Fa ny maha-isika antsika
Ka isan’andro vaky
Andrianiko ny Teniko
Fa lova tamin’iKaky
Sady tolotry ny Reniko.

Tonony: Celestin ANDRIAMANANTENA
Feony: BESSA

 
   
   
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 06/05/2018