Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

21 Febroary 2015

 

MIFAMPIZARA KANTO - Tahala RARIHASINA - 14 Febroary 2015


Ity hetsika "Mifampizara ny kanto" tao amin'ny tahala RARIHASINA tamin'ny andron'ny mpifankatia 14 febroary 2015 teo ity dia nianohana ireo antsan-tononkalon'ireo poeta toa an'i Doda Razafindravelo, Ando Harinjaka, Aina Nirina ary ireo poeta maro samihafa avy amin'ny fikambanana KORIRA KANTO, AJA SY RAKEMBA, HAVATSA UPEM, MPIRAIFARIBOLANA SANDRATRA.

Tsy diso anjara koa indrindraindrindra ireo olon-tsotra toa an'i Tikalo Tsisatry, tovovavy tsy nanan-tahotra, na dia sambany aza izy no niseho sehatra voalohany niantsa tononkalo manoloana ny mpankafy.

Io fotoana io koa dia nampirantiana ireo fafan'ny tononkalon'ireo poeta maroloko.

Nandritra izany fotoana izany koa no nivarotana ny boky voalohany navoakan'i Doda Razafindravelo sy Aina Nirina ary ny bokin'i Ando Harinjaka izay natonta fanindroany.

Dia nifampizara tokoa e !

 

TIKALO TSISATRY izay sambany no niaka-tsehatra voalohany
mpankafy nifampizara antsan-tononkalo
AINA NIRINA poeta ao amin'ny fikambanana TSANTA
nifampizara ny boky sy ny antsan-tononkalony
ANDO HARIJAKA poeta ao amin'ny
RIANKANTO AJA SY RAKEMBA
nifampizara boky sy antsan-tononkalo
     
Antsan-tononkalo nifampizaran'i Doda Razafindravelo Doda Razafindravelo RAKEMBA, filohan'ny RIANKANTO AJA SY RAKEMBA
     
mpikambana ao amin'ny KORIRA KANTON'NY HAISORATRA  mifampizara tononkalo Mpiraifaribolana  SANDRATRA avy ao amin'ny fikambanana hafa
mifampizara  antsan-tononkalo
     
 
mpankafy nifampizara antsan-tononkalo mpankafy nifampizara antsan-tononkalo  
     
     
     
     
     
 
ireo mpankafy ny antsan-tononkaloSTA40021 ireo mpijery ny rantySTA40039  

Tatitra sy sary : Ikaloyna

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021