poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

12 septambra 2017

FAHA 65 TAONAN'NY HAVATSA TAO PARISY

Fotoan-dehibe tokoa ny tsingerin-taona nahaterahana satria manamarika fiandohana sy aina vaovao. Fifaliana, firavoravoana ary fifampiarahabana no atao amin'izany, fanomezana, zava-tsoa, tsikitsiky, sakafo matsiro ifampizarana ary mofomamy maneho fa "mamy ny miaina" no hita eo amin'ny lanonana. Teo avokoa izany mariky ny tsingerin-taona izany ary azo ambara fa fetin'ireo niteraka koa ny tsingerin-taona, ka notsarovana manokana izy dimy ambin'ny folo mirahalahy nanorina ny HAVÀTSA-UPEM. Feno 65 taona ny 6 septambra 2017 teo ny HAVATSA-UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malagasy), nankalazain'ireo mpikambana tao anaty fifaliana feno izany andro lehibe izany, ny isan-tsampana koa dia nanamarika ny fotoana. Manamafy ny firaisan-kinan'ny mpikambana sy manome hery vao tokoa izany.

Ny zoma ny Sampana Frantsa dia nandray feo ny fandaharana fanaony isam-bolana Feom-baliha mandeha amin'ny Radio Bitsika, tao amin'ny foiben'ny fikambanana, azonao henoina amin'ny www.radiobitsika.com izany manomboka ny talata 12/9/2017 amin'ny 3 ora maraina, amin'ny 11 antoandro sy amin'ny 9 ora alina, ary mandeha isaky ny talata sy alakamisy amin'ireo ora ireo mandritra ny volana septambra. Ny faha-65 taonan'ny fikambanana no iompanan'ny lohahevitra amin'ity volana ity.

Ny ampitso dia niara-nifaly tao amin'ny Restaurant Marianina tao Parisy koa izy ireo ny sabotsy 9 septambra antoandro. Sakafo matsiro sy tafatafa mahaliana ary tononkalo sy hira maro be no niangalian'izy ireo ny tolakandro manontolo, fanomezana mamy no natolo-dRtoa Tiana mpiandraikitra ny Marianina azy ireo, ary singanina amin'izany ilay mofomamy tsara voatra sy fy. Mba ho mamy toy izany anie ny ho avin'ny fikambanana Havàtsa-Upem, ny an'ny Teny sy Haisoratra Malagasy !

Nalai-nisaraka ny rehetra ary ny masoandro mody no nampalahelo ireto mpiara-dia amin'ny teny aman-tsoratra, notronin'ny namana sy sakaiza. Sitraka feno no atolotra ny Restaurant Marianina !
Efa azo ianohana ny Feom-baliha fa mbola misy koa hetsika homanin'izy ireo hankalazana amin'ny fomba manetriketrika izany faha-65 taona izany amin'ny rehetra, henohenoy àry ny vaovao e !

Dia samy ho tratry ny taona maro mifandimby isika rehetra! Ho an'ny 65 taona manaraka indray.


Tatitra: Hanitr'Ony
Sary: Raivo Patricia Salomon

 

 

HAVÀTSA 65 TAONA
(Tononkalo teraka teo am-piarahana tao)

Ny nitondra anao ho tonga teto
Rivotra inoako ho soa
Matoa ny fonao mitepo
Miaraka aminay Rasoa.

Ravo 'zahay, tena faly
Ianao koa toa mangitakitaka
Ka ndao isika re hiangaly
Hira tena mampibitaka

Mamy sy matsiro ny hanina
Isaorana ny tompon-trano
Isaorana i Marianina
Ny fitiavanao tohizo, tano !

F'isaorana eto indrindra indrindra
Isika zanaky ny HAVATSA
'Zay hita ho tena soa firindra
Noho isika mitrotro an-tratra

Fa feno dimy amby enimpolo
Ny taonan'ny fikambanantsika
Misikina hery isika hikolo
Hafana hatrany tsy hangatsiaka !

Dédé SORAJAVONA
09/09/2017, Parisy, rue Blanche.

Ary horedonintsika ity hafatra mafonja kaloin'i G.R.G. Ity, raha mbola eo am-piverenana mikaroka ny very izay hita ka very indray ny vanim-potoana misy antsika izao, entina hiatrika ny ho avy, mbola eto isika, feno ny fanantenana.

 

NY FITENY MALAGASY

 

Ny fiteny malagasy
Lova manankasina,
Harena sarobidy
Tokana aman-tany,
Tsy iombonana
Amin'ny hafa
Ka andrianintsika
Ho vakoka lalaina ;
Ary izany indrindra
No ikarohanay
Ireo kanto fahizay.

 

Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle
04/05/95

   

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com