Créer un site internet
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

29 oktobra 2017

FAHA 65 TAONAN'NY HAVATSA: TAKARIVAN'NY POETY

Nalai-nisaraka ny rehetra nanotrona ny takarivan’ny Poety izay notontosaina tetsy amin’ny IKM Antsahavola ny alakamisy 26 oktobra 2017 teo, hetsika natao ho fankalazana ny faha 65 taona niorenan’ity fikambanana ity.

Tsy lanonana fe lanonana fotsiny no natrehin’ny rehetra fa niara-dalana tamin’izany ny fandraketana raki-tsary ho amin’ny fandaharana Mbarakaly manokana.

Nianoka tanteraka tao an-tsahan’ny kanto vita amin’ny teny ny rehetra ka nifandimby tao ny hira sy ny antsa tononkalo ary ny tononkalo zary hira.
Saiky tsangan’asan’ireo mpanoratra anisan’ny efa nialoha lalana sy efa nanana ny lazany teo anivon’ny fikambanana no nantsain’ny mpikambana toy ny tononkalon’i DI…, Céléstin Andrimanantena, Rado, Razafiarivony Wilson, Madera, RHA.Nary, Ranjatohery Harilala.

Ireto ny santionan'ny TONONKALO ZARY HIRA anisan'ny nampiavaka  ny fotoana:
- "Ny hirako", tononkalon'i Dox, nantsain'i Hantanoro ary nohirain'ny TAFASIRY KOLOKANTO
- "Kalo" tononkalon'i Rado, nantsain'i Vero ary niarahan'i Fanja Andriamanantena sy Rija Ramanantoanina nampiara-peo
- "Aza manadino", tononkalon'i Odéam Rakoto, nantsain'i Nicks ary nohirain'i Rija Ramanantoanina
- "Manoratra ho anao", tononkalon'i Hagamainty,
nantsain'i Jacynthe ary nohirain'i Fanja Andriamanantena...

Nampifalifaly ny mpijery ny tononkalon’i Di... miresaka momba ny toaka sy ny haitenin’i Hajaina mahakasika ny sakay mena sy sakay maitso.
Nisy ihany koa anefa ireo mpikambana avy any amin’ny SAMPANA HAVATSA izay tonga nifanome hasina ny fotoana ka niantsa ny tononkalon’izy ireo toy ny avy any Antsirabe, Arivonimamo, Fenoarivo Atsinanana, Fianarantsoa.

Nifandimby hatrany hatrany moa ny tononkalo sy ny hira, koa anisan'ny nandrotsirotsy tamin’izany i Anthonia Rakotozanany (raha toa ka tsy ampy fitia misalasala ny dia Andramo antsoina andramo antsoy ny anarako), Pèris (“mila anao” an’i Donnat Rasamimanana), i Rija Ramanantoanina (Tsiambaratelo sy Sombin’aiko), Tafasiry Kolokanto ("na inona na inona ho androko" an'i Dox sy ny "fahitana anao" nosoratan’i RHA.Nary).

Anisan’ny nanamarika ity fotoan-dehibe ity ny tafa nifanaovana tamin’ireo mpitarika ny fikambanana ny taranany ka nanehoana fa velona sy miaina hatrany ny HAVATSA –UPEM na dia eo aza ny fahasamy hafan’ny taonan’ireo mpitarika efa nifandimby; voambara tamin’ny dinidinika nifanaovana tamin’izy ireo ny “ireo tsiahy” nampiavaka ny filoha rehetra nifandimby, ny "ireo hetsika mampiavaka ny fikambanana izay tontosaina" ary "ny hoavy izay irina mba hiorim-paka hatrany".

Nifanelanelana tamin'ny antsa sy tononkalo ary tononkalo zary hira ny resadresaka miisa 14 voasokajy tao amin'ny: ny fiorenany (intelo niditra), ny fivoarany (3), Dia manavàtsany (3), ankehitriny (4) ary nanampy ireo teo afovoany ny tsiahy momba an'i Abel.

Maro araka izany ireo nandray anjara tamin'ny resadresaka sy ireo nijoro vavolombelona ny amin’ny fahombiazana hita teo anivon’ny fikambanana toa an’i:

- André Rakotondranaivo izay mpikambana zokiny indrindra (90 taona)
- Lala Agnès Rakotoson izay zanak’i Regis Rajemisa Raolison efa nitarika ny fikambanana
- R.H.A. Nary namorona ny teny hoe Havàtsa
- Fanja Andriamanantena zanak’i Célestin Andriamanantena izay efa filohan’ny fikambanana
- Zanak’i Abel Rakotozanany izay mpanantontosa ny fandaharana Mbarakaly hatramin’izay
- Ny Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo
- I.P.A
- Ranjatohery Harilala
- Hajaina izay filoha am-perinasa
- Dol’Aj, filoha lefitry ny fikambanana.

Nofaranana tamin’ny fanapahana mofomamin’ny 65 taona moa izany, koa ny talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy fampiroboroboana ny Asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka no nitarika izany niaraka tamin’ny birao mpitantana ny fikambanana.

Niavaka dia niavaka ity seho indray mitoraka ity noho ny ravaka izay maneho endrika tontolom-piarahamonina tena Malagasy. Eo ihany koa ny fiombonan’ny rehetra ho toy ny mpianakavy iray nandritra ny fotoana voafetra.

 

Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
Sary: Narinjato

 

 

 
Fanja Andriamanantena, ny Tafasiry Kolokanto, ary ny Havàtsa-Upem: mihira ny "Manoratra ho anao" (Feon-kira : Fanja Andriamanantena, tononkira : Hagamainty)

 

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 02/11/2017