poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

08 novambra 2017

KIRIMBA 2

Nianoka tontolo hafa mihitsy ny mpankafy ny kanto vita amin’ny teny ny sabotsy 25 novambra 2017 tao amin’ny CGM Analakely.

Kirimba andiany faharoa no seho natolotr’i Ranöe sy i Nirihaja tamin’izany. Efa tany amin’ny 15 taona lasa mantsy no notontosaina ny Kirimba andiany voalohany.


Nanokatra ny fotoana tamin’ny teny fanolorana fohy sy hira roa izay efa nomanin’izy ireo ny tarika MOAJIA. Nahafaly ny maro ny nivetsoan’izy ireo ilay hira hoe: “Demoiselle, ma belle, akaikinao aho fidèle…”.


Tononkalo roa miresaka ny poezia izay nosoratan’i Nirihaja no nanokatra ny antsa ka niangalian’i Nirindra sy Andriniela. Taorian’izay no nifandimby niventy ny anjara toeran’ny volana eo amin’ny fiainana ireo mpanoratra samihafa tao amin’ny Faribolana Sandratra toa an-dRatsifa, Soratra Fanahy, Tsitohery, Nirihaja.


Nanelanelana ny fizarana  ny hira nataon’ny tarika MOAJIA ary nifanjohy tamin’izany ny antsa izay niresaka bebe kokoa ny zava-misy iainana eo amin’ny fiarahamonina ka tiana ampitana hafatra manokana, toy ny “Danga” izay nosoratan-dRanöe sy “lakolosim-panairana” an’i Nirihaja.
Mpanoratra samihafa avy amin’ny Faribolana Sandratra hatrany no nifarimbona tamin’ity fizarana faharoa ity toa an’i Maneho, Tsitohery, Ariala, Anjar Tsy Ahy, Nirihaja, Soratra Fanahy, Ratsifa, Mampandry.


Niova endrika avy eo ny kanto nanelanelana ny sehatra satria Ravaka sy ny namany izay sakaizan’ny Sandratra no nihira tamin’ity ampaham-potoana ity.


Tao amin’ny fizarana fahatelon’ny seho dia  nifandimby indray ny antsan’ireo mpanoratra samihafa toa an’i Andriniela, Mampandry, Ariala, Herimandaniaina, Anjara tsy ahy, Nirindra, Nirihaja. Tontolon’ny fitiavana izay misedra onja maro samihafa no tsikaritra tao anatin’izany. Anisan’ireny ny “Namako eny ianao” izay nosoratan’i Nirihaja, “Asanao” izay nosoratan-dRanöe.


Hanomezana fahafaham-po ireo tsy nanatrika dia indro ny tononkalon’Nirihaja :

“Namako eny ianao
Rehefa injay aho irery
Irery anaty orana mikija
Fa namako ianao
Handefana vetsovetso
Vetsovetso anatiko ao
Tsy zaraiko amin’iza
Fa ho ahy samirery
Amin’ny ora toy izao
Dia iny aho mivanaka
Mivanaka aho anaty korana
Mikorana aho
Mikorana anaty
Ny eritreritro no antefa
Aminao ilay irery”

 

Riankalo izay asa soratra teraky ny tononkalo indray avy eo no nandrakotra ny fizarana farany taorian’ny fiatoana noho ny hira nataon’ny tarika MOAJIA. Mbola nifandimby namaky izany hatrany ireo mpanoratra samihafa izay efa nambara tetsy aloha.Fa nahasarika ny sofin’ny maro ity Riankalo nosoratan-dRanöe ity:


Nirina mba ho ravaka
Gina tsy nandrenesam-peo ny alina tontolo. Ny volana no indro,… Mangoratsaka tara-pahazavana, mitsoriadriaka manelanelana ny bara vy miaro ny varavarankely ka mamaritra ny bikanao ravaka,… mihanjaka ao anaty lay.
Safononoky ny hafaliana ny foko sy ny saiko mianoka ity hatsaran-tarehy manoloana ahy.
Bika re izao… Endrika re izao…Tsy haiko izay bikan’anjely, tsy fantatro izay endrika anjely… fa ny manoloana ahy androany dia anjelin’ny foko, ravaky
ny fanahiko.
manja akia njy a!
ngalingalim-pahasambarana ny endrikao mitsiky ka baliaka sy sariaka!!!
Tsy hatsarana manodoka na vorona misioka
Tsy kalokalom-pahavalo, na ainga iray nandalo. Fa dia kanto mihantahanta, Anjay akia ko… njy ilay mikisina hafanana e!... dia tena domoina iray tamana…
Mangalahala fitia akia ilay vatan-dry malia ka maha te hianoka fitia a!
Manja kely mihitsy hoy aho ilay kala ratsy ity a!
Antsay e!
Tiako akia njy a!”


Hira nokaloin’i Ravaka sy ny namany no namaranana ny seho.Fanaon’ny Faribolana aorian’ny antsa toy izao moa ny mifampitafa amin’ny mpanatrika, mba hifanakalozana eo amin’ny tontolon’ny literatiora.

Fanampin’izany dia nisy ny Boky Kirimba izay namidy tamin’ny vidiny mirary.

Edisiona Faribolana Sandratra  no namoaka izany ary ahitana riankalo miisa 8 sy tononkalo  32. Ankoatra ireo dia miharihary ao amin’ny boky ny fampahafantarana ireto mpanoratra ireto toy ny fotoana nanombohany nanoratra, ny karazana soratra foroniny, ary ny andraikiny eo anivon’ny Faribolana Sandratra.

Nivoaka tamin’ity fotoana ity ihany koa ny Gazety Ambioka lah 133 izay nanentanana ny mpanjifa sahady fa hitombo ny isan’ny takila amin’ny laharana manaraka. Tiana ihany ny manamarika fa anisan’ny mampiavaka ny Faribolana Sandratra ny rindra an-tsehatra sy ny fifehezana izany eo amin’ny fomba fiantsana ary indrindra ny feo lafika maro isankarazany. Ankoatra ny mpankafy amin’ny sokajin-taona  samihafa dia tsy diso anjara ihany koa ireo  haino aman-jery isankarazany.

Ny Pôetawebs dia mirary soa an-dRanöe sy Nirihaja mba hanohy tsy miato ny dian’izy ireo eo amin’ny fampiroboroboana tononkalo ary mankalaza sahady ny Gazety Ambioka izay  feno 20 taona ny volana Desambra ho avy izao.

Tatitra sy sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com