poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

07 desambra 2017

TELO ANDRON'NY HAVATSA ARIVONIMAMO

"Velona ho velona ny haisoratra Malagasy". Raha ny fotoana nokendrena hanatanterahana ny "Telo andron’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo" dia ny volana ôktôbra lasa teo saingy noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena dia nahemotra ary tontosa soa aman-tsara nanomboka ny 25 nôvambra 2017 ary ny 1 sy 2 desambra 2017 ny fotoam-panokafana ny taom-piasana 2017-2018 sy ho fanohizana ny fankalazana ny faha-65 taonan'ny Havàtsa. Ny hetsika rehetra dia teo ambany fiahian’ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo Ambonivohitra.


Ny sabotsy 25 nôvambra dia nisy ny famoaham-bokin’i Miary Fanahy tao amin’ny Ivokolo CEMDLAC Analakely, nampitondrainy ny lohateny hoe: "LAKOLOSY FAHATELO". Nandravaka ny hetsika ny dihy mirindra sy ny hira kanton’i Andry Rabe. Izy ihany no niantsa ny ankabeazan’ny tononkalo nosoratany. Na izany aza dia nanasa mpanoratra hafa izy nanampy azy niantsa dia ry Mina (Faribolana Sandratra), Naura, Heeso, Tsiresy. Izy telo mianadahy farany ireto kosa dia samy mpikamban'ny Havàtsa-Upem Arivonimamo. Nisy ny fanolorana boky ho an’ny Fikambanana Tsanta sy ny Havàtsa-Upem Foibe. 

Ny zoma 1 desambra kosa no notanterahina tao amin’ny Tranompokonolona Arivonimamo ny lanonam-panokafana ny taom-piasana 2017-2018. Raha nanao ny lahateny fohy Ravorombato Filohan’ny Havàtsa-Upem Arivonimamo dia nanazava ny anton’ny tena nanaovana ny hetsika, dia ny fampirantiana natokana ho an’ny mpianatra, izay nanehoana ireo mpanoratra anaty fandaharam-pianarana, notohizana tamin'ny tantaran’ny Havàtsa-Upem sy ireo 15 mirahalahy nanorina ny fikambanana. Ary dia nisaotra ireo rehetra tonga nanotrona izy. Atoa Dol’Aj kosa, nisolo tena ny birao foiben'ny Havàtsa-Upem, raha nanohy ny anjara-fitenenany, dia nanazava fohy ny dian’ny Havàtsa-Upem nanomboka tamin'ny niandohany mandraka ankehitriny. Ny namarana ny fandraisam-pitenenana dia ny Ben’ny Tanànan’Arivonimamo Ambonivohitra sady mpiahy rahateo ny hetsika, Atoa Razanakoto Jaona, nanambara fa efa manomboka mahazo toerana eto an-tanàna ankehitriny ny Havàtsa-Upem Arivonimamo ary feno haravoana ny Kaomina manana azy ary vonona hatrany hifanampy raha mbola misy ny ilana izany.

Nanamarika ity fanokafana ity ny fotoana nanolorana Salotrahasina ho an’ny mpikambana miisa 8 mianadahy.  Notanterahina ihany koa ny fampirantiana ka i Hobiana, Filoham-boninahitry ny Havàtsa-Upem Arivonimamo, no nisahana ny fanazavana momba izany.

Isaorana manokana ny tarika Tafasiry Kolo Kanto fa na dia nananosarotra aza ny fifamoivoizana nanelanelana an'Antananarivo sy Arivonimamo dia nataony ambonin’ny zavatra rehetra ny famangiana ny Havàtsa Arivonimamo. Tsy nahasakana ny rehetra hianoka hatramin'ny farany ny fahatarana kelin'ny fiatombohan'ny fotoana noho io antony io. Tanteraka soa aman-tsara araka izany ny fanafanana ny fotoana nataony ka nikaloany hira maro sy niventesany ny hira Fanevan’ny Havàtsa-Upem. Ny fampirantiana moa dia nahaliana mpianatra maro satria raha novinavinaina ny mpianatra nandalo tao anatin’ny fanokafana dia niisa 200 teo ho eo. Fifanakalozana tamin’ny alalan’ny fitsako sy fisotro no namaranana ity andro ity.

Ny sabotsy 2 desambra maraina kosa dia mbola nitohy ny fampirantiana. Ny fivohan'ny varavarana no ela dia niditra malaky tao anaty efitrano ireo mpianatra efa tsindrian-daona niandry teo ivelany. Nanamarika ny mpampianatra iray fa fony izy tany amin'ny kilasy ambaratonga faharoa no nisy fampirantiana toy izao farany teto Arivonimamo. Ity andro faharoa ity dia nialohavan’ny fanolorana Salotrahasina ho ana mpikambana telo mianadahy tsy afaka tamin'ny zoma ka nahatonga ny isan'ireo notolorana ho 11 mianadahy.

Tao anatin’izao andro faharoa izao moa no nanoloran’i Hobiana sy i Riva ary i Ikaky RH ny antsa tononkalo nampitondrainy ny lohateny hoe: “FILAZAN-TSARIN’NY ALINA", izay niangalian'izy ireo ny zava-miseho anaty alina, na fitiavana io na fiaraha-monina. I Hobiana sy i Hoby kosa no nandravaka tamin’ny hira izay manana ny feo mangany tokoa. Nahaliana ny mpankafy ity antsa tononkalo iray ity satria dia tanora telo lahy samy manana ny taonany no nahay nampiara-peo tokoa.

Ny namaranana ny hetsika dia ny “Alin’Anoka” efa zary tena fiainan’ny Havàtsa Arivonimamo. Ity alin’anoka iray ity dia niarahany tamin’ireo mpanoratra avy any Antananarivo sy ny teto Arivonimamo. Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-piasana vaovao, hiasa ny Havàtsa Arivonimamo ary mbola vonona ny hanolotra ny kanto hatrany. Isaorana avokoa ireo nanohana tamin’ny hetsika rehetra na an-kolaka na mivantana izay tsy ho ary voatonona tsirairay fa dia sitraka sy telina tokoa no atosaka ho antsika rehetra ka nahafahana nanatontosa iny taom-panokafana iny. Singanina manokana ny mpikambana rehetra, ny Tranonkala Pôetawebs, ny gazety Taratra, ny gazety Valiha, ny gazety Ngah sary sy soratra, ny RNM, ny Radio Tanà izay anisan’ny nampahafantatra ny zava-misy rehetra. Tsy amparam-pilaza sady tsy ny kely indrindra, Raozimainty, nanentana ny lanonana tamin’ny alalan’ny hainteny an-kabary, ary mpikambana mavitrika tokoa.

Tatitra: Heeso

Sary: Ony Ravorombato

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 14/12/2017