Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

28 desambra 2017

Pôetawebs 2017AMBIOKA AN-TSEHATRA

Tontolo hafa tsy nahazatra ny maso loatra no tsikaritra tao amin’ny Foibe Ara-kolontsaina Alemana (CGM) tetsy Analakely ny sabotsy  23 Desambra 2017 tolakandro lasa teo.
Naseho an-tsehatra mantsy ny Gazety Ambioka izay mankalaza ny faharoapolo taonany ankehitriny.
Ny talen’ny famoahana ny Gazety Ambioka  Rado Ramaherison no nanokatra ny fotoana tamin’ny alalan’ny teny fanolorana izay nanazavany ny mahazava-dehibe ity gazety haisoratra ity sy ny anjara toerany eo anivon’ny literatiora malagasy.
Nizara efatra mazava tsara ny fizotry ny  seho araka ny lohahevitra izay nofantenan’ny mpikarakara.

Soratra no ventin-kevitra nasongadina tao amin’ny fizarana  izay nisantarana ny antsa ary nifandimbiasan’i Anjara Tsiahy, Tana Miranty, Nirihaja, Ariala. Nanaitra ny maro ny fandrenesana ny feon’i Anjara Tsiahy somary hentitra toy ny mitory teny raha niantsa ny tononkalon’i RATOVELOSONA ANDRIAVELOTOVO Haingomalala Henri mitondra ny lohateny hoe: NY TENY IZAY VOASORATRA.


Ampahan-tononkalo tamin’ity fizarana voalohany ity ilay nosoratan’i MNI tao amin’ny Ambioka, Lah. 017 mitondra ny lohateny hoe:

ANTSO HAFAHAFA

Misy feo, sary, loko, hetsika, teny…
Samy tonga mitangorona
Ao andohan'ny mpamorona!
Tiany harafitra ho anao ny hakanton'izy ireny!

Misy tsiky, tomany, jaly, soa, loza, fy…
Samy tonga mitangorona
Ao am-pon'ny mpamorona!
Notanehiny ho anao hahaizanao mamindra ety!

Tononkalo miisa7 indray no re nandritra ny fizarana faharoa izay nanehoana ny tanindrazana.
Iray amin’ireny ny tononkalon’i Indria Ben JACQUESON tao amin’ny Gazety Ambioka, lah. 42 izay maneho fa tsy mety tafarina ny fiainan’ny vahoaka malagasy noho ny fihetsik’ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena.

Rahoviana isika
Vao ho tafita?
Fa ny “fikafika”
No aseho sy hita!
Ny teo ihany no eo,
Dia lasa ny teo;
Miverina ny eo,
Mankaleo…
…dridrangilo,
Mankadilo

Fitiavana kosa no nahariharin’ireo mpanoratra tao amin’ny fizarana fahatelo ka niantsan’izy ireo tononkalo miisa 11.
Santionany amin’ny tononkalom-pitiavana avy ao amin’ny gazety Ambioka ny tononkalon’i FANO Marintsoa  tao amin’ny Ambioka, Lah. 43 izay milaza fa tsy ampy hahafeno ny fatran’ny fitiavana ny fibanjinana  ny sarin’ilay olon-tiana.

Hitako ny sarinao
fa mitsikitsiky toky
nefa tsoriko aminao
f'izaho tsy mety voky
na dia ataoko tsara jery
tsy mahahinan-drery

Aleoko ihany re ianao
ianao vatana iny
no ho avy eto izao
fa tiako hofihinina

fa ny sarinao iny
tsy haiko sakambinina

Tononkalo miisa 9 indray no namaritra ny fizarana fahefatra izay nivetsoana ny fiainana tamin'ny alalan'i Jery sy Liantsoa ary mpanoratra hafa nanampy isa ireo efa niantsa nandritra ny fizarana nifanesy. Tononkalo mampieritreritra ny mpiara-belona kanefa tena iainana no ambaran’i Lydiary  tao amin’ny Ambioka, Lah. 043 mitondra ny lohateny hoe:

FAHAVELOMANA

Mifoha tsimoramora
anaty zavozavon'
ny saina sy eritreritra
ny endriky ny TONTOLO
mamatotra mangeja
anao OLOMBELONA
izay vatana sy saina
miezaka ho "FANAHY"
voatefy sy voasedran'
ny rojon-gejam-piainana
ka hizotra sy hanjohy
"Ny lalamben'ny velona"
hanova ny TANTARA

Tiana ny manamarika fa ny Tarika HERY MADA izay mihira ny kalon’ny fahiny sy Sôva no nanelanelana ny isam-pizarana.
Nirihaja no nanatontosa ny Rindran-tsehatra. Ny edisiona Faribolana Sandratra izay iandraiketan’i Riambola Mitia kosa no namolavola sy nandrafitra ny amboara voafantina Ambioka izay mirakitra ny tononkalon’ireo mpanoratra miisa valopolo (80) ary nojifain’ny mpankafy ny kanto teny an-toerana. Nandritra io fotoana io ihany koa no nivoahan’ny Gazety Ambioka lah 134.
Nahatsiaro ho ravo ny rehetra nanatrika ity seho ity satria toy ny namaky gazety Ambioka nandritra ny roapolo taona tao anatin’ ny ora voafetra.
Koa indro àry misy hafatra ho anao mpankafy ny soratra izay notsoahana tao amin’ilay Amboara voafantina Ambioka.


MPAMAKY SORATRA

Raha tsy misy ianao mpamaky
hametraka ny lanjan'
ny soratra ao anaty ,
dia foana izaho mpanoratra ,

Handalo mantsy ireo voavaky ,
hihelina ny ranjan'
ny teny ka ho faty,
Very jiny koa ny soratra ,

Fa tena ianao mpamaky koa
no hitsara sy hitsikera
ny foron’ny mpanoratra

Hanaparitaka ny soa
Ianao no enti-miera
Hampanjary izay voasoratra.

RA-PHI, martsa 2015
Ambioka, Lah. 126


Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs 2017

 

 

 

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2017