Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

29 janoary 2018

TATIBOLAN'NY MPIRAY FARIBOLANA

Pôetawebs 2017   Na dia heverin’ny maro ho filazana tranga ratsy hatrany aza ny hevitry ny tati-bolana; ho an’ny Faribolana Sandratra kosa dia fanehoana sy fizarana ny kanto amin’ny alalan’ny teny izany.
Seho tsy manam-paharoa ary tsy fanadino tokoa ny  “Tatibolana” izay  notontosain’ ny Faribolana Sandratra ny sabotsy 27 Janoary 2018 tolakandro  tao amin’ny amin’ny Foibe Ara-kolontsaina Alemana (CGM) tetsy Analakely. Nahavory sokajin’olona maro ity hetsika ity satria feno hika ny efitrano. Nijoro nanara-drindrina sy nitorovoka avokoa ny betsaka tamin’ireo tsy nahazo seza nitoerana.

Nizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana.
Ny fizarana voalohany dia narindra ho tantara ny riankalo izay nifandimbiasan'i Andriniela, Ony Mihajanirina, Ariala, Soratra Fanahy, Liantsoa, Zo Sitrakiniavo ary Nirihaja noantsaina. Amin’ny maha endrika tantara ny seho moa dia nisy sera fihetsika  sy dihy  izay niarahan’i Zo Sitrakiniavo  sy Nirihaja  mba hampisy aina velona izany.
     
Pôetawebs 2017  

Ny fizarana faharoa kosa no nanehoana sombintantara an-tsehatra ary nohaingona tamin'ny sary sy horonantsary fohy. Ireo mpanoratra voalaza teo aloha no nampiaina izany niampy an'i Eluart Andriatovonirina. Ity farany sy Andriniela moa no nandrindra ny sehatra.

Tiana ny manamarika fa Jaompiarakandro no mpanakanto nanelanelana ireo fizarana roa ireo.

Nisy ny amboara riankalo, sombintantara, sombin-tsoratra  izay nialohavan’ny savaranonandon’i Nirihaja ka namidy nandritra ny fotoana mba ho tahiry sy tadidy ho an’ny rehetra.

Seho vaovao tena niavaka izay nisantarana ny taona vaovao 2018 tokoa ity "Tatibolana" ity noho ny ravaka sy ny fomba fanehoana nanaitra ny mpijery izay tonga nanotrona.


Indro àry ny riankalon’i Zo Sitrakiniavo hanomezana fahafaham-po ho antsika tsy afaka nianoka mivantana ny "Tatibolana":

 

Pôetawebs 2017   Embona
Dila telopolo minitra ny amin'ny iray ora maraina. Mitari-dalana ny eritreritro ho any amin'ny tsy fantatro akory ny fanginana. Injao miritsoka mamy mangina ao an-tsofiko ao ny "come away with me" an'i Norah Jones. Rakotra voninkazo manitra fitiavana midorehitra fatratra ny haizina, ary ny fanahiko... toa te hitety ny vanim-potoana efa novolaiko ho tonga sary miaina ao anaty nofinofiko. Mitsiky amiko ny alina mivolom-bolamena... mitsiky aho, dia mikimpy mankafy ny hirahirako.

Mikimpy aho dia injay ianao fa reko mihazakazaka ao anatin'ny zavon'eritreritro, amin'izato famindra toa soradihy narindra ka mamonto zavakanto ny efitry ny foko, ary hanova ny vonim-pitiavako hitovy loko amin'ny tepon'ny fonao mamelana miora voajanahary.

Tsinjoko toa mamakivaky hazavana milokom-bolamena ny hetahetantsika te hitoetra eny amin'ny laingon'ny rantsam-pitiavana tsy nandravina akory dia rako-pelana mamerovero. Fa ny antson'ny fonao mangina no injany reko toa angola midoboka antsa eo amin'ny ora mandefa taratra fanantenana. Te hitsivalam-pandry ao anatin'ny fonao ny fitiavako, ka hitety ilay habakao fotsy tahaka ny oram-panala nefa mafanan'ny emboky ny fitia... fa fy ny tia. Fy raha samy fy ny miana anao mamitsaka ao anatin’ny eritreritra.

Tsy tana fa indro lasa mamakivaky eny anelanelan'ny orana mifafy madinika ny eritreritro. Mizotra am-pitoniana, mivetso ny hira fanaon'ny manina. Mitosaka miara-mirotsaka amin'ny erika entin-drivotra manitra ny ilom-binaniko mangotraka ao anaty karan-dohako. Embona miendrika hafaliana ventesin'ny antokom-pihira ao an-danitry ny fiadanan-tsaiko no injay hiraiko eto am-piaretan-tory tsy satry. Mantsy, ngolin'ny fahatsiarovana ny ratsam-batan'ny fanahiko ka mitady nofy irakofana. O! takariko fa tsy takatro ny endrikao toa sary velona eny amin'ny vodilanitra mivoa-dinitra hasambarana, nefa tiako atao hosodoko amin'ny rindrina efatra mihaino ny redirediko. Dia angoaina eto ny Fanahiko...

Dia ny emboka fitiavana sisa manentohento ato an'efitranoko ato. Ny alina aza manko indro fa niofo tamin’izato hamaintisany fa heniky ny manjan'endrikao baholy ny habak’eritreritro. Nikimpy moramora segondra roa na telo indray ny masoko ary indro fa niraraka tan-dohako tsy niera akory ny kintana eny an-danitra. Mihira sy mirebika ny bitsi-pahanginana kanefa izany tonony, toa tsy misy akory fa ny fiakony no indro nivaingana ho sarivongana vita amin’ny fetan’ny fitiavana marihitra.

Iriko hifandrohy lahy ny hetahetantsika! Iriko ho tonga angovon’angoty tsy hay refesina any anatinao any ny tambatry ny tepo tsirairain’ny foko, f’izany izao no tiako. Kanefa raha tsy izany, dia manodiava anao izao tosaka hasambarana ianohako eto izao fa dodona aho sy maika hiray ara-nofy...anaty lanitrao.
Zo Sitrakiniavo - 20/05/2016

Tatitra : Tsikimilamina Rakotomavo
Sary : Faribolana Sandratra

 

poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 30/01/2018

×