Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta (T. Ràja)

  03 marsa2018

FY TARATRA

Pôetawebs 2017

 

CGM Analakely - sabotsy 24 Febroary 2018

Tendrin’ny Avo sy Haingohaja izay samy mpanoratra avy ao amin’ny Faribolana Sandratra indray no nitondra ny mpankafy ny haisoratra tany amin’ny tontolo antsoina hoe: ”Fy Taratra“ ny sabotsy 24 Febroary 2018 tao amin’ny amin’ny CGM Analakely.

Nambaran-dRanöe izay Mpandrindra Nasionaly Faribolana Sandratra teo amin’ny teny fanolorana fa hafinaretana, na tsiro tsy manam-paharoa no atao hoe: fy. Ny taratra kosa dia izay hita, na hazavana ka hahatsinjovana izay jerena na hahatazanana ny toetry ny hafa na hahitana ny dindon’ny tena. Araka izany, ny “Fy Taratra“ dia seho ahatsinjovana ny fitaratra izay hamerina amin’ny tsirairay ny toetra manoloana an’Andriamanitra sy ny finoana Azy. Eo ihany koa no ahitana ny Fitaratra izay hijerena ny onjam-pitiavana mamonto ny fanahy ary mivaingana ho tsiahy.

 

 

Pôetawebs 2017 Tononkalo miisa folo avy hatrany no nandrafitra ny fizarana voalohany izay nifandimbiasan’ireo mpanoratra samihafa toa an’i Tendrin’ny Avo, Haingohaja, Maneho, Mampandry, Eluart, Andriniela, Meva, Liantsoa. Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy moa ny finoana an’Andriamanitra, koa nahariharin’ny tononkalo nandritra izany fa misy ny fiovana rehefa manankina tanteraka ny fiainana amin’Andriamanitra ny mpiara-belona. Ampahany tamin’izany ny hoe:

« Fa raha ianao no hivavaka
Ho an’ireo mpitondra sy ny mponina
Ka hifona ho an’ny olona
Dia hitsangana ny firenena »

Tendrin’ny Avo 07/07/2014

 

 

 

Pôetawebs 2017

  Ny fizarana faharoa indray dia tononkalo miisa 11 no nifanesy, koa ireo mpanoratra efa voalaza anarana teo aloha ihany no niantsa izany. Endri-pitiavana izay tena mistery no nasongadina tao noho izy misarika ny ankamaroan’ny olona ho rendrika amin’ny olona tsy fantany akory ka tsy ahitany tory. Novetsoina tamin’izany ny hoe: "Adala anao"

Adala ho’aho ny foko
Fa mitia anao tsy fantany
dia tena mino mihitsy
fa ianao hono anjarany e !
Asa izay nahazo

Haingohaja 31 /01/2015

 

Tononkalo miisa 10 kosa avy eo no nanamarika ny fizarana fahatelo, i Lova Santatra no nanampy ireo mpanoratra efa niantsa tetsy aloha.
Naseho fa misy tokoa ny ny fepetra ifanarahan’ny mpifankatia rehefa mahatsiaro ho tena babo izy ireo. Ny tononkalon’i Haingohaja no hitondra antsika amin’izany:

« Ireto ny fepetra arahinao raha tia
Tsy maintsy ianao manaiky ny fiainako anjoria
Tsy maintsy ianao manaraka ny onjan’ny fitia
Tsy maintsy ianao mandefitra amin’ny fifinako manokana
Tsy maintsy ianao manaiky fa hitia ahy ho tokana
Izany rehefa tia manaraka fepetra
Haingohaja

Riambola Mitia avy eo no nanao ny tsetsa famaranana, izay narahin’ny fanontaniana ombam-baliny. Ny antoko mpihira avy ao amin'ny sekoly "Le Petit monde" no nandravaka sy nanaingo an-kira tamin’ny feo kanto ny hetsika. Andriniela sy Eluart kosa no nandrindra ny seho manontolo.
Nisy hatrany moa ny boky izay nojifaina tamin’ny vidiny mirary.
“Fy Taratra!” Taratra tao tokoa ny fianohan’ny rehetra ny hakanton’ny haisoratra Malagasy.

Ny Poetawebs dia mirary an’i Tendrin’ny Avo sy Haingohaja hanohy hatrany ny safidy tsara indrindra efa natomboka.

Tatitra : Tsikimilamina Rakotomavo
Sary : Faribolana Sandratra

 

 

poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 03/03/2018

×