Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta (T. Ràja)

  07 marsa 2018

Pôetawebs 2017

ASAKASAKAO

Tsy fahotana akory
Ny mitia ny efa notiavin'ny namanao taloha
Kanefa ihany koa saino kely ihany
Fa any anatiny any mahatsiaro maharary
Fa izy mody faly mahita anareo miaraka
Toy ny hoe tsy ho tafasaraka natao hifameno...
Ka angamba tsy
hadisoako ny hilaza anao mialoha hoe:
Raha mbola azo atao,
Aza mba mitia izay efa notiavin'ny namanao taloha
Nefa... asakasakao

Ny Aiko R


 

 

Antsa tononkalo mitondra ny lohateny hoe ASAKASAKAO no notanterahina ny faha 28 febroary teo tao amin ny Ivokolo Cemdlac Analakely nanomboka tamin'ny 2 ora sy sasany.

Pôetawebs 2017Tononkalo nosoratan'i Ny Aiko Razafimanantsoa na RAZAFIMANANTSOA RIANA NANTENAINA no noantsaina tao.
Nisy famoaham-boky moa nandritra ny fotoana ka ny tononkalo tao anatiny ihany no noantsaina teo an-tsehatra.

Nanomboka ny fotoana i NY IRAKA RAMBOLAMANANA izay nilaza ny mombamomba ny mpanoratra sy ny asa sorany.
Mpihira nafarana avy tany Moramanga no naneho ny talentany ary nanelanelana ny antsa.

Ny lohahevitra novoizina nandritra ny antsa dia ny fitiavana eo amin'ny mpifankatia sy ny mpinamana ary ireo olana lalovana amin'izany. Navoitra tao koa ny hafatra ho an'ny anabaviny sy ny reniny tamin'ny alalan'ny fomba kanto tokoa.


Niavaka tokoa ny fampisehoana satria dia tena niainan'ny mpijery ny hafaliana sy ny tebiteby ary ny fahoriana nolalaovin'ny mpandray anjara ary azonao vinavinaina tsara eo am-pamakiana ny boky izany zava-misy izany.

Pôetawebs 2017

Misy maromaro izy ireo no namelona ny antsa ka ny mpandray anjara fototra dia i NY AIKO RAZAFIMANANTSOA. Ny Mpandray anjara mpanampy dia i Mina Ilarion, i Vahatra II, i Kalo fanomezana, nampian'ireo mpandray anjara ravaka.

Tsara sy manara-penitra ihany koa ny boky izay ahitana ny sarin'ny mpanoratra ao am-piandohana ary ny mombamomba azy eny am-piafarana. Misy tononkalo 59 ao anatin'ny 79 pejy, miampy ny tenin'ny mpanoratra namana.

I Ny Iraka Rambolamanana no nanao ny Teny fanolorana ary ny teny fisaorana dia nosoratan'ny mpanoratra ihany.

 

Izahay eto amin'ny Pôetawebs dia mirary soa ho an'i Ny Aiko Razafimanantsoa hatrany.

Tatitra sy sary : Léa Fandresena

poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com