Créer un site internet

poeta_malagasy

30 Oktobra 2014

KARAMBOLANA - 25 Oktobra 2014

Notontosaina ny sabotsy 25 oktobra 2014 teo tao amin’ny efitrano malalaky ny CGM ny hetsika mitondra ny lohateny hoe KARAMBOLANA, nahenoana antsan-tononkalo sy feon-kira jazz.

Nanokatra ny fotoana ny tarika club jazz CGM izay nitendry feon-kira jazz. Taorian’izany dia nanolotra ny teny fanolorana i Riambola Mitia izay nalainy tao amin’ny boky KARAMBOLANA. Nandimby azy tamin'izany ireo mpiantsa ao anatin’ny Faribolana Sandratra, dia i Liantsoa. Tsitohery, Niry-Solosoa, Martelle Nath, Mihoadia, Hery Mandaniaina, Eluart, Liantsoa, Lefitra aloky ny ara, Ratsifa, Andriniela, Ilarion, Kens Andrianjafy, Jery ary Andriniela ny antsa. Izany rehetra izany dia noelanelanin’ny hira nokaloin’i Semanjaka sy i Manoa ary ny feon-kira jazz lafika izay niantsana ireo tononkalo tao amin’ny boky KARAMBOLANA.

Ity boky KARAMBOLANA ity dia ahitana ny sangan’asa’ireto mpanoratra ireto : Liantsoa, Ira, Niry-Solosoa, Martelle Nath, Mihoadia, Hery Mandaniaina, Eluart, Mero Kosiky, Lefitra Aloky ny ara, Mero Kosiky, Nirihaja, Zazangaly, Tsitohery, Andrianiela, Jery, Ilarion, Kens Andrianjafy, Hery Ny Aina, Tolotra Arinandrina ary Semanjaka.

Satria efa nakamban’ny boky ho iray ihany ireo mpanoratra dia niniana tsy notononina ireo mpanoratra tao anatiny. Endrika roa no nisehoan’ny antsa dia ny antsa nandeha irery sy ireo antsa niarahan’olon-droa. Namarana ny fotoana ny tafatafa niarahana tamin’ireo mpanoratra sy ny mpijery. Anisan’ny nohazavaina tamin’izany fa maro no nihavian’ny dikan’ny teny hoe karambolana izay fitambaran’ny teny hoe taolana misy ny tsoka, midika hoe saina, loha, sy ny hoe volana midika hoe "teny" na "volana" . Vory lanona ny mpankafy tamin’ity indray mitoraka ity ary heverina fa tsy ho ambaka izany ny fotoana iarahana amin’ny Faribolana Sandratra Antsirabe amin’ny hetsika SOVARAMITA ny sabotsy 22 novambra ho avy izao ao amin’ny CGM ihany.

Sary sy soratra : Ikaloyna

SARY VITSIVITSY NALAINA TAMIN'IZANY FOTOANA IZANY

  

 

 

 

 

 

 

 

  

 

    

 

     

 

  

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021